«Festival Temps Fort Danse» : tanjona ny hampiroboroboana ny soradihy

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy, omaly, ny «Festival Temps Fort Danse», andiany faharoa. Hetsika natao hampiraisana ny tontolon’ny dihy eto Madagasikara izy ity, karakarain’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely sy ireo mpisehatra eo amin’ny dihy eto an-toerana. Fifanina­nana, atrikasa, fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao no handravaka ny fotoana rehetra. Ankoatra ireo, tanjona ny hampivelarana sy hampiroboroboana ny zavakanto, indrindra ny dihy eto Madagasikara.
Ambohimpihaonan’ny fianakaviamben’ny dihy, indrindra ny eto Madagasikara, ny hetsika «Festival Temps Fort Danse». Ankoatra ny lanonana fanokafana, omaly. Nisy ihany koa ny seho an-tsehatra «Metier», niarahana tamin’ny Cie Dihy Lavitra. Teo ihany koa ny «Beloved «Oui ou Non»» niarahana tamin’ny Kezia Jonah. Hitohy anio, eny amin’ny IFM Analakely ny fampisehoana hataon’ireo mpikarakara. Fihaonana sy atrikasa ho an’ireo matihanina, iarahana amin’i Kezia Jonah no hameno ny fandaharam-potoana, raha ny anio.

Mahavelom-panatenana ny mahita hetsika fampivelarana amin’ny zavakanto sahala amin’izao. Foatoana sahala amin’itony no hifanitsian’ireo samy mpanakanto mba handrosoana amin’ny sehatry ny matihanina kokoa.

Lin

Partager sur: