Hanantanteraka seho etsy amin’ny Cercle Germano Malgache (CGM) Analakely ny tarika Tsiakoraka, ny 1 Septambara ho avy izao. Hanomboka amin’ny 2 ora sasany ny fampisehoana. Nampitondraina ny lohateny hoe : «Concert Vip». Hanome ny tsara indrindra ho an’ny mpankafy ny tarika amin’io fotoana io. Tanjona ny hamerenana ireo tsiahy fahiny sy ny kintan’ny mpankanto efa ela tsy tazana ary noheverina ho hadinon’ny olona. «Ezaka ny hamerina ireo tsiahy fahiny sy hira taloha ary ny fankafizana nisy teo amin’ireo zokiolona», hoy Haritiana, tomponandraikitry ny Nature production izay mikarakara ny hetsika. «Mbola nanana ny nampiavaka azy ny hira fahiny sy ny fankafizan’ireo zokiolona teo aloha ireny tarika ireny, tianay ny hampita ny kanto niainan’izy ireny amin’ny tanora ankehitriny», hoy hatrany izy. Ezaka ataon’izy ireo ny hamerina tsikelikely ny hetsika ara-kolontsaina sy ireo mpanakanto manana ny lazany hanembonana ny fahiny, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Olona manodidina ny 200 isa eo no andrasana hanatrika ny seho amin’io fotoana io.
Mino