SOMBIM-BAOVAO

Hiverina amin’ny alahady 1 septambra izao, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara taranja rugby “Top 12”. Fihaonana telo hatao eny amin’ny kianja Makis, izay tafiditra amin’ny andro fahadimy. Lalao goavana ny an’ny TFA sy ny Tam ary ny Uscar sy UASC Cheminots. Ny Cosfa kosa hifampitana amin’ny Mang’Arts.

Hotanterahina ny sabotsy 7 sy ny alahady 8 septambra ho avy izao, eny Manintona ny dingana fahadimy amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Mada­gasikara, taranja mekanika “slalom” sy ny “course de côte”. Fifaninanana karakarain’ny Federasiona sport automobile de Madagascar (FSAM). Hiarahana amin’ny Orange ity dingana ity ary nomena ny anarana hoe : “La revanche de Manintona”.

Nindaosin’ny fahafatesana, ny talata lasa teo, tany Bresil i Juan Izquierdo, mpilalaon’i Uruguay, baolina kitra, 27 taona. Raha tsiahivina, tratran’ny aretim-po tampoka teny ambony kianja ny tovolahy, ny zoma lasa teo, nandritra ny fiadiana ny “Copa Libertadores”. Nitolefika ho azy teny ambony kianja ary tsy nahatsiaro tena izy, 6 mn tsy hiravan’ny lalao. Nentina tany amin’ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tao Paris Frantsa, ny andiany faha-17 amin’ny lalao Olympika natokana ho an’ireo atleta manana fahasembanana. Nahatatra 2 tapitrisa ny isan’ireo tapakila efa lafo, nialoha ny fanombohan’ny fifaninanana. Anisan’ny nifandrombahan’ny olona ny hijery ireo fifaninanana tanterahina amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao.

Partager sur: