Fampianarana ambony : Be mpisafidy ny lalam-piofanana informatika sy ny asa sosialy

Manodidina ny 10 000 isan-taona ireo ankizy afa-panadinana bakalorea. Sarotra ho an’izy ireny ny misafidy ny lalam-piofanana arahina eny amin’ny ambaratonga ambony eto an-toerana. Anisa­ny be mpisafidy ny mahakasika ny Informatika sy ny Asa sosialy.

Lalam-piofanana voalohany anisan’ny mahasarika tanora maro eto Mada­gasikara ny tontolon’ny informatika. Mora ahitana asa sy betsaka tolotrasa mahakasika izany ny antony mahatonga ny safidy, raha ny fanadihadiana natao. Ankoatra izay, tia karokaroka sy tia kitikitika ny ankamaroan’ny tanora, misy koa ny tena havanana amin’izany. Misy ny misafidy ny hanaraka ny lalam-piofanana eto an-tanindrazana, misy kosa ireo manao izany any ivelan’ny Nosy, raha ny fanazavan’ny sekoly iray nanaovana fanadihadiana. Lalam-piofanana informatika fa misampana amin’ny taranja maro izany ka tsy mahavery lalana ny tanora mihitsy. Misy ny Informatique électronique, natokana ho an’ny ankizy te hikirakira ny resaka Automatisation, toy ny tontolon’ny robot…Maro ireo tanora tia mikirakira sy mikitika solosaina sy finday ka anisan’ny tafiditra amin’izany izy ity. Tombony ho an’ny ankizy manaraka io lalam-piofanana io ny tsy mijanona amin’ny sehatry ny informatika ihany fa mivelatra amin’ny zavatra hafa marobe. Misy koa ny lalam-piofanana Mathématiques informatiques appliquées. Hita eny anivon’ireo sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana izy ity. Mbola misy koa ny lalam-piofanana Informatique de gestion, natao handrindrana ny lafiny informatika. Efa maro ny sekoly ambony tsy miankina manofana azy io eto an-toerana. Ilain’ny tanora ny fahaiza-mitantana satria mifototra amin’ny fanaovana asa matihanina.
“Ankoatra izay, mahaliana ny tanora malagasy ihany koa ny lalam-piofanana asa sosialy”, hoy ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny sekoly tsy miankina iray, ES-DES. Efa manomboka miroborobo ny filàn’ny tanora mahakasika io lalam-piofanana io, amin’izao fotoana izao. Mbola betsaka ny orinasa mitady ireo mpianatra vao nahavita fianarana mahakasika ny fanentanana sy ny asa sosialy ka antony iray mahatonga ny ankizy misafidy azy io. Azo hiantseharana aorian’ny fahavitan’ny fianarana avokoa ny karazana asa mifototra amin’ny fiarahamonina rehetra, toy ny fampianarana, ny fanentanana, ny mpitarika eny anivon’ny fikambanana maro samihafa… Maro amin’ny ankizy ny tsy dia mahafantatra io lalam-piofanana io eny anivon’ny Oniversite. Ezaka ataon’ny sekoly ambony ny manao fanentanana ny mpianatra, manoro lalana sy manazava fohifohy mahakasika ny lalam-piofanana sy ireo tombontsoa azo ary ny asa miandry aorian’ny fahavitana ny fianarana. Mba hahafahana mi­sa­rika sy manoro hevitra amin’ny fisafidianana ny lalam-piofanana mifanaraka amin’ny safidin’ny tsirairay sy ny fahaizan’izy ireo.

Miara-miasa ny tsy miankina sy ny fanjakana
Efa manara-dalàna ny fampianarana sy ny ankamaroan’ny sekoly ambony eto Mada­gasikara. Miezaka miara-mi­asa ny Oniversite tsy miankina sy ny minisiteran’ny Fampia­narana ambony.
“Mangataka fiaraha-miasa amin’ny fanjakana mba hanamorana ny fikarakarana taratasy ho an’ireo sekoly ambony tsy miankina satria tsy vitan’ny irery ny fampianarana ny mpianatra malagasy rehetra eto amin’ny Nosy”, hoy Falihery Rabenaivo, tomponandraikitra voalohany ao amin’ny Agence publika mada, nandritra ny fanokafana ny “Salon de l’études et de l’emploi 2024”, tetsy Mahamasina. Nohamafisiny fa kely dia kely ny fahafahana mandray mpianatra eny anivon’ny Oniversitem-panjakana, raha mitaha ireo mpianatra afaka fanadinam-panjakana bakalorea isan-taona. Anisany manampy ny tanora malagasy amin’ny fitadiavana lalam-piofanana mifandraika amin’ny safidiny izy ireo, mandritra ny hetsika ataony. Ankoatr’izay, nahazo vahana ihany koa ny tanora mitady asa. “Sady nisy sekoly nahafahan’ny ankizy misafidy ny lalam-piofanana arahiny no misy orinasa afaka mandray azy ireo amin’ny asa mifandraika amin’ny fahaizan’ny tsirairay koa ety an-toerana”, hoy hatrany izy.

Tsy ampy fanomanana ireo mpianatra

Zavatra tsy ampy amin’ny tanora malagasy vao afaka fanadinana ny fanomanana azy ireo amin’ny sehatra sy ny tontolon’ny asa. Amin’izao fotoana izao, efa lasa fahalalana ankapobeny avokoa no omen’ny sekoly eto an-toerana. Maro anefa ny asa miandry fa tsy ampy ary tsy mifanaraka amin’ny fahaizan’ny mpianatra ny filana momba izany. “Ilaina ny fanomanana ny tanora mpianatra hiditra eo amin’ny tontolon’ny asa na dia mbola tsy nahavita fianarana aza”, hoy ny tomponandraikitry ny Serasera eo anivon’ny Cnam, Rakotoarinelina Mirana Michaella. Nambarany fa tsara tarihina any amin’ny sehatry ny matihanina kokoa ny mpianatra, mba hahafahan’izy ireo mahita sy mahay ilay asa rehefa mivoaka fianarana. “Tsy mbola mazava amin’ny ankizy malagasy ny zavatra tena tiany hatao rehefa any aoriana. Mbola miahiahy ihany koa izy ireo mahakasika ny lalam-piofanana mora ahitana asa eny anivon’ny sekoly ambony”, hoy kosa Rabemahenina Fidelis, tomponandraikitra eo anivon’ny sekoly ES-DES. Nambarany fa ilaina ary tena zava-dehibe ny fananana diplaoma rehefa hitady asa amin’izao fotoana izao. Tokony hampahafantarina ny ankizy dieny mbola eny amin’ny fampianarana ankapobeny ny fahaizana misafidy ny lalam-piofanana tiany harahina. Tanjona ny hananana hoavy mamiratra sy hananan’ireo ankizy asa eto anivon’ny firenena.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: