Dimy lahy maty notifirin’ny jiolahy: tsy nanana 200 tapitrisa Ar ny fianakaviany

Sangy mihoatra ny loha! Nafato­tra tamin’ny ha­zo, notifirina an-kitsirano ireo olo­na dimy mianaka natao takalonaina tao Anjo­zorobe. Tsy na­nana 200 tapitrisa Ar ny fianakavian’izy ireo.

«Resy izahay aty Anjozorobe, mifona e! Resinareo izahay, tsy misy na iza na iza hitarainana intsony», hoy ny antsoantson’ireo mponina ao amin’ny distrikan’Anjozorobe manoloana ny firongatry ny fakana an-keriny. Mpiana­kavy, nisy dimy mirahalahy, no maty notifirin’ny mpaka an-keriny ny alakamisy hifoha zoma lasa teo, tany Maro­tsipoy. Nitaky volabe mitentina 200 tapitrisa Ariary ny jiolahy. Tsy nanana izany ny havan’izy ireo. Niafara tamin’ny famonoana tamin’ny fomba feno habibiana izany.
Ny 4 aogositra 2024 no nalaina an-keriny izy ireo. Tompon’antoka ny andian-jiolahy, misy mpikambana am­polony. Tokony ho tamin’ny
1 ora, nosakanan’ny jiolahy tao Anjavidimainty, Ankon­kaina, kaominina Andrano­misa, izy dimy lahy: i Feti­niaina Tsiry Navalona, 30 taona. Raherivololona Tanjo­niaina, 30 taona. I Vololon­tsirava Jean Erica, 21 taona. Samy monina ao Marotsipoy izy telo mirahalahy ireo. Ani­san’ny namoy ny ainy koa Ramarotronina, 28 taona sy Randrianantenaina Safidy Nandrasana, 28 taona ihany koa, izay monina ao Amboa­sary Avaratra. Marihina fa izy mirahalahy farany ireto dia mpamily sy mpamily mpanampy an’ilay kamiao nosakanan-dalana, nakana azy ireo an-keriny.
Marihina fa ny iray tamin’
izy ireo dia mpitondra moto, izay nisava lalana ity kamiao lehibe fitateran’entana ity.

Nisy navotsotra
Tsiahivina fa nisy olona dimy hafa tao anaty kamiao sy lehilahy iray nitaingina moto no nogiazan’ny olon-dratsy tamin’ny andro nisehoan’ny fakana an-keriny, ny 4 aogositra. Navotsotra kosa izy ireo, ora telo taorian’izay, araka ny tatitra voaray avy amin’ny mpitandro filaminana. Efa tamin’ny 7 ora hariva izy ireo no voalaza fa tonga teny amin’ny biraon’ny zandary, nampandre ny fanafihana sy ny fakana ny havan’izy ireo.
Nisy ny hetsika nataon’ny mpitandro filaminana taorian’
izay, na dia nisakana azy ireo tsy hiditra an-tsehatra aza ny fianakaviana. Naleon’ireto farany nisafidy ny nifampiraharaha tamin’ny olon-dratsy, na dia nisy aza ny fidiran’ny lehiben’ny zandary mba han­dresy lahatra azy ireo hiara-miasa mba hanenjehana ny olon-dratsy.

Tao Ambalabehasina
Ny atoandron’ny 29 aogositra 2024, no voalaza fa nisy solontenan’ny fianakaviana, nampandre ny zandray tao Marotsipoy. Izy ireo izay nampandrenesin’ny jiolahy, ora efatra talohan’izay fa mila maka ny razana eny Ambala­behasina mizotra mianantsimo ny tampon’ Andramanena, ao anatin’ny kaominina Ma­nakana Vohimbohitra. Mari­hina, araka ny fampitam-baovao ihany, fa mbola nifampirizariza tamin’ny resaka vola ny mpaka an-keriny sy ny fianakaviana no nahataraiky ny filazana ny vaovao. Nitohy omaly ny savahao ny toerana nahitana ny razana. mitohy ny fitadiavana ny razana iray izay mbola tsy hita hatreto. Ma­nomboka ny famotorana ny fianakaviana. Ireto farany izay nampiseho ny alahelony, ary manao antso vonjy amin’ny fitondrana mba hijery akaiky ny resaka kidnapping any an-toerana.

Filoha Rajoelina Andry: «Tsy maintsy resena ny mpaka an-keriny»

Hatramin’izao, tsy mbola mahafa-bela ny fakana an-keriny any amin’ny faritra Anjozorobe manokana, ohatra. Manoloana izany, “Tsy maintsy ataontsika ny mandresy an’
ireo mpaka an-keriny mampijaly. “Ankehitriny, manjaka ny fakana an-keriny eo amin’ny samy Malagasy. Noho izany, ho an’ny tomponandraikitra isan-tokony, toromarika no omeko: tsy maintsy ataontsika ny mandresy an’ireo mpaka an-keriny mampijaly sy mampihorohoro ny Malagasy havantsika”. Io ny toromariky ny filohan’ny Repoblika sady lehibe faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry, tany amin’ny Akademia miaramila Antsirabe, omaly, tamin’ny lanona-miaramila “Fandresena 2024”, namoahana ny andiany manokana faha-26 Andriafo, misy mpianatra manamboninahitra
51 sy ny andiany mivantana faha-45 Ltn kolonely Rakotomiliarison, misy mpianatra manamboninahitra 56. Matoky ny Foloalindahy izy, ary nanome toromarika ho an’ny tomponandraikitra isan-tokony hidina any an-toerana mba hiady amin’izany fakana an-keriny sy famonoana Malagasy izany. Marihina fa novonoin’ireo mpaka an-keriny tao Marotsipoy, Anjozorobe, afakomaly, ireo takalonaina rehefa azon’izy ireo ny vola takalony.
“Ny fanatontosana sy ny fahavitana antsakany sy andavany ny iraka ampanaovina sy nampanaovina no zava-dehibe indrindra, fa tsy ny fandehanana fotsiny ihany”, hoy ny hafany ho an’ny Foloalindahy. Tsy ny handeha hiady na handeha hanao iraka no zava-dehibe eo amin’ny Foloalindahy, fa ny fandresena. Zava-dehibe ary tsy azo ihodivirana ny fahamarinana sy fankatoavana ary tsy fivadihana, endrika ahafantarana ny Foloalindahy. Koa tandrovy toy ny anakandriamaso fa zava-dehibe ny mampitambatra fa tsy ny manavaka, mifanampy fa tsy mifamingana, miray hina fa tsy mifamadika. Indrindra tandrovina lalandava ny tombontsoa ambonin’ny firenena fa tsy ny tombontsoa manokana.

Nanatontosa : J.C sy R Nd

Partager sur: