Volana tsy mampisy ny asa fibatana entana ny volana aogositra hatramin’ny oktobra, araka ny nambaran’ireo mpibata entana eny Anosibe. Miverina mihabetsaka kosa izany manomboka ny volana novambra hatramin’ny janoary, noho ny fiakaran’ny voankazo maro samihafa.
Mibata entana eny amin’ ny tsenan’Anosibe no asan-dRakotoniaina Bruno. 5 taona izay no nanaovany ity asa ity, nanomboka teo amin’ny faha-23 taonany. «Mafy sy sarotra ny asa nefa vita hatrany rehefa atao» hoy Rakotoniaina Bruno. Manam-bady ary manan-janaka roa ny lehilahy, ary io fibatana entana io no amelomany ny vady aman-janany. Noho izay adidy sy andraikitra amin’ny famelomam-bady aman-janaka izay, sy ny tsy fisian’ny asa no nanaovany ity asa ity. «Namana no nitarika ho ety amin’ny tsena tamin’ny voalohany ary lasa nandeha irery rehefa zatra. Misy hatrany anefa ny asa iarahana rehefa eny an-tsefantsefany eny, sahala amin’ny hoe manampy manosika sarety rehefa misy entana entina lavitra», hoy Rakotoniaina Bruno.
Manomboka amin’ny 4 ora maraina izy dia efa mihatrana eny amin’ny tsenan’Anosibe, eny amin’ny faritry ny voankazo. Manomboka ny alatsinainy hatramin’ny sabotsy dia sahala amin’izay hatrany ny asa. Tsy mifidy fa avy hatrany dia mibata sy mitondra izay entana ampitondrain’ny mpanjifa. Manodidina ny 500 Ar hatramin’ny 3000 Ar ny fitondrana entana ary arakaraka ny halavitry ny toerana hitondrana azy sy ny lanjan’ny entana. Mahazo 17 000 Ar isan’andro ny mpibata entana iray rehefa tena mandeha ny asa, ary
10 000Ar rehefa tena tsy misy. Ho an’ny eny amin’ny Tsenan’ Anosibe, eny amin’ny faritry ny voankazo, ny vanim-potoana fiakaran’ny manga sy letchis no tena mahabe ny asa, izany hoe, ny volana novambra sy desambra iny. Ny volana septambra sahala amin’izao kosa no tena tsy misy mihitsy izany asa fibatana entana izany eny an-toerana. Araka ny nambaran’ireo mpibata entana, anton’izany ny fihenan’ny mpiantsena eny an-toerana sy ny entana vidian’izy ireo noho ny adidy maro samihafa, sahala ny fanaovana famadihana sy ny fampidirana mpianatra.
« Mafy nefa vita hatrany rehefa atao »
Ekena fa tsy misy asa mora saingy anisan’ny mihatra aman’aina ny asan’ny mpibata entana, noho izy mampiasa vatana. Araka ny nambaran-dRakotoniaina Bruno anefa, fahazarana ihany no mitondra azy io. Ho azy manokana, anisan’ny tena sahirana ary narary mihitsy ny tenany tany am-boalohany, noho ny tsy fahazaran’ny vatana manao ilay asa mibatabata. «Mibata 50 kilao indroapolo aho tamin’izay dia efa tena vizaka ary raha miezaka manao mihoatra kely aza dia marary», hoy Rakotoniaina Bruno. Tao anatin’izay 5 taona nanaovany io asa io kosa anefa, efa mahazaka 60 hatramin’ny 70 kilao ny tenany amin’izao, ary mahavita mibata izany in-50 hatramin’ny 60 isan’andro. Na marary aza dia mandeha hatrany saingy mihena be ny vola azo noho ny maha voafetra ny entana zaka. Araka ny nambaran’ity mpibata entana ity, manodidina ny 40 kilao sisa ny entana zaka rehefa tsy salama. Eo ihany koa ny tsy fahasahiana mitondra mihoatran’izay noho ny tahotra ny hanimba entan’ olona.
Miasa avokoa ny saina sy ny vatana
«Tsy vitan’ny fananana vatana matanjaka fotsiny ihany ny asa fibatana entana ety amin’ny tsenan’Anosibe fa mila mampiasa saina sy fahaizana miresaka ihany koa», hoy Rakotoniaina Bruno. Voalohany indrindra amin’izany ny fahaizana miresaka sy mandresy lahatra ny tompon’ny entana entina. Eo ihany koa ny fahaizana mikajy ny fotoana sy alavitry ny toerana anaterana ny entana mba tsy hahafaty antoka be. Izany rehetra izany no tokony ho fantatra sy hay rehefa ety an-tsena fa tsy vitan’ny matanjaka fotsiny. Ankoatra izay, ilaina hatrany ny fahamailoana rehefa eny amin’ny Tsenan’ Anosibe, na dia ho azy ireo mpibata entana aza, araka ny nambarany hatrany. Misy ny mpangalatra izay mibata ny entana na maka izany rehefa variana ny mpitondra ny entana. Ny tompon’ny entana anefa tsy mahalala afa-tsy ianao ka voatery miantoka ny very na ny simba.
«…Tsy hijanona amin’ity fa efa manomana asa hafa», hoy Rakotoniaina Bruno. Mahavelona ny asa fibatana entana hatreto saingy tena mafy. Izany indrindra no hitadiavana sy hiketrehana asa hafa. «Samy miasa izahay mivady ary manana tanjona ny hanangona vola amin’ny asanay avy izahay ka hiompy any ambanivohitra rehefa voahangona ny hoenti-manatanteraka izany vina izany», hoy Rakotoniaina Bruno.
Nanatontosa : Lin