Amin’izao vanim-potoana izao, eo amin’ny kolontsaina. Efa zary sarotra ny mamantatra na mamaritra ny tsara sy ny ratsy. Ny kanto sy ny tsy kanto… Satria, nohasarotina! Mbola ny zava-misy ankehitriny ihany koa no itafian’ny kolontsaina malagasy lainga sy fitaka maro. Ny dokadoka (anisany ny dokam-barotra) no fototra lehibe amin’izany. «Tsy lafo» raha tsy dokafana, satria, varotra no atao. Raha mijanona eo, tsy maninona. Fa ilay doka lasa lavitra be ka tonga fitaka sy soloky.
Fahiny, tsy nilaina ny doka mamonto tany, satria, nisongadina ka tsy saro-pantarina ny atao hoe «kanto». Tsotra dia tsotra ny zavamaneno nanaraka ny feon’i Edith Piaf, kanefa, zovy no sahy hiteny fa tsy zavakanto ireny hira nohirainy ireny? Tahaka izany koa ry Lôlô sy ny tariny, ry Mahaleo, Henri Ratsimbazafy…
Raha mbola miandry doka, na miantehitra amin’ny doka ny kanto iray, tsy azo antoka ny haharitra sy hitoetra ao anatina vanim-potoana mifandimby. Io tranga io ilay nanakorontana lamina maro. Ireo tsara doka no nivadika hoazy ho kanto!
HaRy Razafindrakoto




