Very zo tanteraka ny ankamaroan’ny mpiasa malagasy. Noho ny tsy fijerena ny lafiny ara-tsosialin’ny mpiasa sy ny tsy fanajana ny zon’izy ireo, hoy ny avy amin’ny fiaraha-midiniky ny mpiasa eto Madagasikara.
10 % amin’ny vahoaka tokony hiasa ihany no miasa eny anivon’ny sehatra manara-penitra eto Madagasikara. Izy ireo no mizaka ny hetra sy ny fampandrosoana ny firenena. 90 % ambiny kosa, misehatra any amin’ny tsy manara-dalàna, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny Conférence des travailleurs de Madagasikara (CTM). “Very zo ny ankamaroan’ireo olona rehetra ireo, raha ny zava-misy eny anivon’ny orinasa no jerena”, hoy ny mpandrindra ankapobeny ny fiaraha-midiniky ny mpiasa eto Madagasikara (CTM), Andrianasolo José. Antony mahatonga izany ny tsy fisian’ny fijerena ny lafiny sosialin’ny mpiasa, ny fanajana ny zo fototra eo amin’ny asa, tsy misy ihany koa ny dinika ho an’ny fampandrosoana azy. Heverina ho very zo tanteraka izy ireo amin’izany satria raha firenena manaja ny zon’olombelona dia tokony hijery ny zon’ny olona hahazo asa, voalohany indrindra. Tsy maintsy amboarina ny fampananasa ny olona. Rehefa manana asa ny vahoaka, fara-faharatsiny izy ireo manana fahamendrehana sy fahafahana miaro ny zony eo anivon’ny toeram-piasana. “Olana eto Madagasikara, tsy fantatra mazava ny politika tena mamaritra ny asa fa ny mpanambola na ny firenena matanjaka no mibaiko ny zavatra tiany hapetraka eo anivon’ny tontolon’ny asa”, hoy hatrany izy. Nambarany fa lasa firenena mpiasa ny firenena malagasy fa tsy firenena manana ny maha izy azy raha izao zava-misy iainan’ny mpiasa izao no mitohy.
Tanjona ny hanova izany zava-misy izany fa tsy hametraka izany ho an’ny taranaka fara aman-dimby. Tsy vitan’ny sendikalista irery anefa ny fanantanterahana izany fa misy anjara birikin’ny rehetra ihany koa. Mba hisian’ny fiaraha-midinika eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa hahasoa ny firenena . “Manana anjara fitenenana amin’izany ny mpiasa satria izy ireo no kitro hifaharan’ny famokarana sy fampandrosoan’ny firenena iray”, hoy hatrany izy.
Miankina amin’ny fitomboan’ny vokatra ny fahefa-mividin’ny mpiasa
Nihemotra ny fahefa-mividin’ny mpiasa, tsy eto Madagasikara ihany fa maneran-tany izany amin’ny ankapobeny. Miankina amin’ny lafiny ara-toekarena goavana izany ho an’i Madagasikara manokana. “Raha tsy mitombo ny vokatra eo anivon’ny firenena dia sarotra ny hanatsarana ny fahefa-mividin’ny mpiasa amin’ny ankapobeny”, hoy hatrany izy. Nambarany fa tsy afaka mieritreritra ny hampitombo karama na hoterena ho lafo be ny karama nefa ny vokatra tsy mitombo. Lasa fisondrotry ny vidim-piainana no aterak’izay. Arakaraka ny sokajin’asa ny hatsaran’ny karama amin’ny ankapobeny. Misy sehatrasa tena tsara karama fa misy kosa sehatrasa tena farahidiny. “Tsy azo atao tery vay manta ny fampiakarana karama eto Madagasikara fa ezahina hampifanarahana amin’ny vokatra misy izany », hoy hatrany izy. Matoa ny firenena hafa manana fahafahana mamaly ny filàn’ny mpiasa amin’ny sehatry ny karama , toy ny afaka mitsangantsangana, afaka mamelona ny vady aman-janany araka ny tokony ho izy, afaka mitsabo tena… dia tsara ny toekaren’ny firenena any aminy. Nohamafisiny fa azo lazaina ho manonofy i Madagasikara raha toa ka mieritreritra hampitovy karama amin’ny firenena hafa, toy ny any Maurice sy ny firenena eoropeanina.
Mila ampiakarina ny fahaiza-manao
Ny fahaizan’ny olona no tokony hojerena mba hahaizany hamokatra tsara sy hitrandraka ny maha izy azy. Misy firenena matanjaka nefa tsy misy harena voajanahary any aminy toa an’i Japon…Ny olona ny azy no tena harena ary ny vakoka ny tena haren-tsaina. Manoloana ny harena voajanahary misy eto amin’ny firenena, ilaina fitaovana goavam-be ny fitrandrahana azy ireny mba hahavelona ny mpisehatra aminy. « Tsy mahavelona ny Malagasy ny harena an-kibon’ny tany raha ny tena marina fa mila ampiakarina ny fahaiza-manaon’ny Malagasy amin’ny ankapabony », hoy hatrany izy nanamafy. Ny fampandrosoana rehetra dia tokony hifantoka any amin’ny maha olona fa tsy mifantoka any amin’ny harena voajanahry sns.ny olona tokony harovany, sy hatsaraina ny fahaiza-manaony amin’ny asa. Manaraka ho azy avy eo ny fiarovana ny tontolo iainana isan-karazany.
Miezaka mitady ny hitsiny sy ny rariny ara-tsosialy ny CTM
Miezaka mampitombo ny traikefa sy fahaiza-manaony ireo sendikalista rehetra eto Madagasikara. Anisan’ny fanamby ezahin’izy ireo ny hisian’ny rariny sy ny hitsiny ara-tsosialy eo amin’ny mpiasa malagasy. Eo koa ny hisian’ny asa mendrika ho an’ny rehetra. Anisan’ny hojerena amin’izany, ny anjara biriky hoentin’ireo sendikalista manoloana izany eto amin’ny firenena. Anisan’ny paikady tadiavin’ny CTM ny hiverenan’ireo olona ireo eo anivon’ny asa manara-penitra sy manara-dalàna. Ankoatra izay, ny fanafamafisana ny traikefan’ny sendikalista amin’ny alalan’ny fanaovana fampiraharahana iombonana eo anivon’ny tontolon’ny asa.
Nanatontosa : Mino