“Fety de Baskety e!”: Ekipa 110 no andrasana hifaninana

Raikitra ny andiany manokana, amin’ny “Fety de Baskety e!”, fankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B (Andraisoro tia basket-ball). Fantatra ny daty hanatanterahina ny fifaninanana, izay hatao ny 14 septambra hatramin’ny 25 novambra izao. Ekipa 110 no andrasana, raha toa ka 94 ny tamin’ny taona 2018. Araka izany, tsy ny kianjan’Andraisoro irery no handray ny fifaninanana fa hisy ny hatao eny Fort-Duscene Andraisoro sy eny Nanisana izay mbola eo andalam-pandaminana. Noho ny hamaroan’ny isan’ny mpandray anjara no anton’izany, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Mahakasika ny loka kosa, hahazo 2 000 000 Ar ny mpandresy ho an’ny Seniors, lehilahy, raha toa ka hahazo 1 000 000 Ar avy ny mpandresy ho an’ny Seniors, vehivavy, Vétérans , U16, U20 ary ny Handisports. Hahazo “pack enfant” kosa ny tompondaka, eo amin’ny sokajy mini-Basket (U12). Marihana fa efa manana toeram-pampianarana basi­kety ny AT2B ary efa misy ankizy 80 amin’izao no manaraka fampianarana basikety ao amin’ity klioba ity. Tsia­hivina fa nampahafantarina, omaly, teny amin’ny Smmec Alarobia, ity fifaninanana ity ary fotoana ihany koa nanaovana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Smmec Agence Vonjy sy ny AT2B.

Mi.Raz

Partager sur: