Vehivavy mitondra vohoka : mahatonga fahafahan-jaza ny fisotroana alikaola

Mbola tsy fantatry ny maro ny aretina vokatry ny fisotroan’ny vehivavy bevohoka toaka. Maro ny aretina aterak’izany. Eo ny fahataran’ny fitomboan’ny zaza teraka, ny fahamombana ary ny fahasembanana.

Nomarihina omaly ny Andro iraisam-pirenena hanafoanana ny fisotroan-toaka ho an’ny vehivavy bevohoka sy mandritra ny fampinonoana na ny “Syn­drome d’alcoolisation fœtale” (Saf). Sehatra hanafoanana ny fisotroan-toakan’ny vehivavy bevohoka izy ity. Na­nomboka tamin’ny 9 septambra 1999, nankalaza ny Andro maneran-tany hanafoanana ny fisotroan-toakan’ny vehivavy bevohoka izao tontolo izao. Anisan’ny mankalaza izany ihany koa ny eto Madaga­sikara. Vokatry ny fisotroan-toaka mandritra ny fitondrana vohoka amin’ny zaza ho avy no atao hoe “Syndrome d’alcoolisation fœtale” (Saf).
«Miha mitombo ny tahan’ny vehivavy misotro zava-pisotro misy alikaola ary tsy hanavahana saranga izany fa manao izany avokoa na mahantra na manan-karena», hoy ny Dr Andriamiarinarivo Miarintsoa, Saf Mada. Misotro divay sy labiera ny ankamaroan’ny vehivavy satria male­faka izy ireny. Nambarany hatrany fa tsy azon’ny vehivavy sotroina avokoa izany mba hisorohana ny tsy fahasalamana sy ny voka-dratsy ate­rak’izany. Mifindra amin’ny zaza ao am-bohoka amin’ny alalan’ny tavony sy amin’ny alalan’ny tadim-poitran’ny za­za ny toaka sotroin’ny reny, mandritra ny fitondrana vohoka. “Efa misy fifandraisany ny reny sy ny zaza ao am-bohoka ary efa misy fiantraikany sahady amin’ny zaza raha efa nipetraka ilay zaza mandritra ny fitondrana vohoka, herinandro voalohan’ny fitsaihana”, hoy hatrany ny Dr Miarintsoa. Mety hahatonga ny tsy fitsaihana ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola. “Anisan’ny mahatonga ny fahamombana na tsy fiterahan’ny mpivady ny fisotroan’ny vehivavy zava-pisotro misy alikaola na dia mbola tsy mipetraka aza ilay zaza”, hoy hatrany izy. Mety hahatonga fahafahan-jaza in­drindra amin’ny telo volana voalohany izany. Mety hahatonga fahaterahana tsy tonga volana. Raha teraka ny zaza, mety hisy fahasembanana ara-tsaina eo aminy, izany hoe, amin’ny alalan’ny tsy fitovian’ny fitomboany oharina amin’ny ankizy salama tsara. Mety ho tara ny fitomboany, ny fandadizany sy ny maro hafa. Mety hisy fahasamponana ara-batana ihany koa. Re­hefa manomboka hianatra dia tara kokoa noho ny zaza ara-dalàna izy ireny. Anisan’ny mahatonga fahasembanana sy fiantraikany ratsy eo amin’ny vehivavy bevohoka sy ny zaza teraka ihany koa izany.

Misotro toaka ny 9% ny vehivavy eto Antananarivo
Mbola tsy manana antontanisa mazava mahakasika ny voka-dratsy ateraky ny fisotroan’ny vehivavy bevohoka zava-pisotro misy alikaola eto Madagasikara, amin’izao fo­toana izao, raha ny fanazavana voaray. Fantatra nefa fa mihoatra ny 9% ny vehivavy monina eto Antananarivo no misotro toaka, raha ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana Saf Mada tamin’ny 2008. Ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana Saf Mada tamin’ ny taona 2008, nahatratra 20% ny loza ateraky ny fisotroan-toakan’ny vehivavy be­vohoka. Amin’ireo zaza 2 626 nateraky ny reny nisotro toa­ka nandritra ny fitondrana vohoka, 347 no maty. 77 no teraka tsy tonga volana ary 54 hafa dia nahitana fery sy ratra isan-karazany. Any amin’ny firenena tandrefana, ny fisotroana toaka mandritra ny fitondrana vohoka no antony voalohany mahatonga ny fahasembanana ara-tsaina eo amin’ny ankizy. 1% ny zaza teraka isan-taona any Fran­tsa, na manodidina ny 8 000 eo ho eo no voan’ny aretina. Any Frantsa, olona 1,3 tapitrisa no voan’ny aretina vokatry ny fisotroan’ny vehivavy bevohoka toaka.
Taorian’ny fanentanana maro isan-karazany maneran-tany, nijanona tsy nisotro in­tsony ny 60% ny vehivavy nisotro toaka talohan’ny fitondrana vohoka. Vehivavy bevohoka 1 amin’ny 3 no manohy misotro toaka mandritra ny fitondrana vohoka. Ankizy 1 amin’ny 1000 no teraka voan’ny aretina vokatry ny fisotroana toaka mandritra ny fitondrana vohoka. Amin’izao fotoana izao, manodidina ny 500 000 ny olona mijaly noho ny fisotroan-toaka ataon’ny reniny.

Azo atao ny manampy ireo vehivavy te hiala

Azo atao tsara ny manampy ireo vehivavy manana olana amin’ny fandraisana zava-pisotro misy alikaola. Azo atao tsara koa ny manampy ireo olona, indrindra ny vehivavy, te hiala amin’izany. Ao anatin’ny lahasa ataon’ny fikambanana Saf Mada izany, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny mpitsabo, sy ny mpampivelona ary ireo mpanentana maro hafa. Amin’ny alalan’ny fitsaboana sy fanadiovana ny vatany tamin’ireo zava-pisotro misy alikaola nosotroiny. Mitarika azy ireo ihany koa any amin’ny mpampivelona na ny mpitsabo tokony hikarakara ny vohoka sy ny fiterahany.

Fanentanana ny reny sy ny olon-drehetra
“Fotoana iray hanetsiketsehana sy hampahafantarana ny olon-drehetra mahakasika ny voka-dratsy ateraky ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola ny Andro maneran-tany ho an’ny Saf”, hoy Dr Maillard, Saf eo anivon’ny ranomasimbe Indianina. Nambarany fa andro natao hanampiana ireo vehivavy miankin-doha amin’ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola. Handraisana an-tanana sy hanampiana ireo ankizy teraka noho ny voka-dratsy aterak’izany teo amin’ny fiainany ihany koa. Tanjona ny hampitsaharana tanteraka ny fisotroana toaka eo amin’ny vehivavy mitondra vohoka.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: