Banky foiben’i Madagasikara : mitady mpamatsy volamena

Miverina misokatra indray ny tolo-bidy amin’ny ividianan’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM) volamena. Manao antso ho fanehoana tombontsoa (appel à manifestation d’intérêt) ka mitady mpamatsy volamena ny BFM ka vonona handray ny vokatra rehetra na ny ampaham-bokatra mbola tsy voadio ananàn’ireo mpisehatra. Mpandraharaha ara-dalàna sy matihanina no tadiaviny, izany hoe ireo rehetra nahazo fahazoan-dalana, manana Permis d’exploitation (PE), Permis réservé aux exploitants artisanaux (PREA) sy ireo mpanangom-bokatra matihanina ary vondrona mpitrandraka volamena ara-dalàna. Dingana amin’ny fividianana ny volamena avy eto an-toerana ity atao ity rehefa niato noho ny fametrahana ny lalàna momba ny « or monétaire ». Voatery nanavao ny fomba fitantanany ny tahirim-bolany ihany koa ny BFM sy namolavola paikady amin’ny hetsika atao ary koa nanavao ny fifanarahana nataony teo amin’ny Ministerann’ny Harena an-kibon’ny tany.

Henintsoa H.

Partager sur: