Zavamaniry jatropha : ahazoam-bokatra sy angovo biolojika maro

Fantatra hatramin’ ny fahagola, fa zava-maniry ahazahoam-bokatra sy angovo biolojika maro ny jatropha. Anisan’ izany, ny solika miaro ny tontolo iainana. Ahitana azy io maniry betsaka indrindra ny any amin’ ny faritra maina sy mafana manerana an’izao tontolo izao.

Maro ny anarana fiantso ity zavamaniry iray ity, raha any Afrika dia antsoina hoe : “pourghère” izy. Ho an’ny eto Madagasikara kosa, antsoina hoe: “vavavelona”, “kinanana” na “voanongo” arakaraka ny faritra. Hita tany Amerika afovoany izy io talohan’ny niparitahany tsikelikely nanerana ny kaontinanta amerikana manontolo. Na­nom­boka niparitaka haingana be ny fambolena azy io tamin’ ny taonjato faha-16, noho ny fahatsapan’ny olona fa ahazahoana tombontsoa maro isan-karazany ny fanodidina izany. Anisan’ny ahitana azy io ihany koa ny eto Madagasikara. Any amin’ny faritra Avaratry ny Nosy no tena ahitana azy be­tsaka. Ny fahatsapana izany no antony nahatonga ny vehivavy iray Josiane Jeannette, monina any amin’ny faritra Avaratra, hitrandraka sy hanao fikarohana manokana momba io zavamaniry iray io. Mahatratra 40 hatramin’ny 60 taonina isan-taona eo ny vokatra miakatra any an-toerana, raha ny fanamarihana nataony. Raha mieritreritra ny hitrandraka azy ity, tsy maintsy mamboly azy any amin’ny tany bevelarana. Zavamaniry tsy mifidy tany fa tena mety sy tiany ny tany mafana. Mien­drika kapsily ny voanin’ny Jatropha, izay ahitana tangozany telo, samy ahitana voaniny tsirairay avy. Lasa mavo sy mainty ny voany rehefa hitombo sy azo hotazana.
Mandalo dingana maro

Mandalo dingana maro ny fitrandrahana ity zavamaniry ity, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Ny voaniny no ampiasana ahodina mba hahazahoana vokatra isan-karazany. Voalohany, angonina ny voany eny an-tanimboly. Tsy maintsy atao maina tsara izany vao azo ahodina ao anaty milina fampiasan’ireo orinasa mpanodina azy. Voa­lohany, ahazahoana solika miaro ny tontolo iainana ny menaka azo avy amin’izany. Mbola ahazahoana savony sy akora fampiasa amin’ny fikoloam-bika aman’endrika, ho an’ny tarehy, azo hitsaboana ihany koa izy io. Ankoatra izay, amin’ny maha voan-javamaniry azy, misy faikany izy io. “Afaka hanamboarana arina fandrehetra izany avy eo mba hitsinjovana sy hiarovana ny tontolo iainana satria tsy manetroka izany”, hoy Josiane Jeannette, nanangana ny orinasa Jatro’J Green, mpanodina ny zavamaniry Jatropha iray eto amin’ny Nosy izy.
Efa maro ny olona mamboly ity zavamaniry ity any amin’ny faritra hafa ivelan’ Antananarivo. Mahaliana ny olona sy ny orinasa maro ny mitrandraka ity zavamaniry iray ity eto an-toerana. Olana iainan’izy ireo ny fahavitsian’ ny velaran-tany ahafahana mamboly izany eto Mada­gasikara, raha ny fanazavana voaray hatrany. Ho an’ny orinasa Jatro’J Green, mamboly Jatropha amin’ny velaran-tany manodidina ny 6 hektara eo izy hatramin’izao. “Miara-miasa amin’ny vehivavy izahay manangona sy mioty ny vokatra eny an-tsaha”, hoy hatrany ity tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa Jatro’J Green ity. Manodidina ny 250 Ar ny vidin’ny iray kilao amin’ ny voan’ny jatropha. Maha­tratra hatramin’ny 10 taonina isaky ny hektara kosa ny vokatra miakatra raha tsara karakara ny fambolena. Mahatratra 5 hatramin’ny 10 kilao farafahabetsan’ny voaniny isaky ny fototra mandritra izany.

Fanafody tamin’ny voalohany

Zavamaniry jatropha manodidina ny telo taona eo. Nampiasaina ho fanafody fitsaboana sy natao sakafo no nampiasana azy io tamin’ny voalohany. Ny teny hoe “Jatropha” dia nalaina taminn’ny fiteny grika atao hoe: jatros, izay midika hoe “dokotera”. Ny teny hoe :  «tropha» kosa dia midika hoe sakafo. Nampiasaina indrindra hanadiovana ny tsinay izy io tamin’izany. Nataon’ny olona fefy hiaro ny tanàna sy ny fambolena ary ny fiompiana ihany koa izy io satria mora maniry. Ahazoana savony sy solika manaja ny tontolo iainana ny fanodinana ny voany.

Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ny menaka voajanahary azo avy amin’ny jatropha, indrindra ho an’ny hoditra. Anisan’ny manadio sy manavao ny hoditra izy io. Manatsara sy manalefaka ny hoditra maina sy makiana ihany koa izy io. Ankoatra izay, azo hikarakarana volo ny menaka azo avy amin’ity zavamaniry iray ity. Azo atao fiarovana amin’ny volo hiarovana azy tsy ho vakivaky sy ny makiana izany. Manampy betsaka amin’ny fanatsarana sy fanamafisana ny volo maina sy simba izy io, raha mahavita manao azy matetika ny olona iray.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: