Kaominina ambonivohitr’i Toamasina : betsaka ny fahadisoana eo amin’ ny sora-piakohonana

Anisan’ny mampimenomenona ny ankamaroan’ny olona ny fahadisoana madinidinika eo amin’ny fanaovana so­ra-piankohonana, sora-pahaterahana ary ny sora-pahafatesana. Miteraka ola­na goavana eo amin’ny fianakaviana izany trangan-javatra iza­ny.

Tsy vitsy ny misedra olana eo anivon’ny kaominina amin’ny fikirakirana ny sora-piakohonana, kopia fahaterahana, fahafatesana, fanambadiana, eny anivon’ny kaominina ambanivohitr’i Toamasina, raha ny fanadihadiana natao. Saika ahitana soritra tsy fietezana avokoa ireo notanisaina rehetra ireo. Anisan’izany, andaniny ny fahadisoana tsipelina, na minia hanaovana hosoka mihitsy ny tsy hanoratana ny sora-piankohonana anaty vodiboky, ankilany.
Amin’ny ankapobeny, handoavam-bola avokoa izany rehetra izany eny anivon’ny kaominina. Manodidina ny 30 000 Ariary ny kopia fahaterahana, ho an’ny teratany, Malagasy ray sy reny. Mahatratra hatramin’ny 100 000 Ariary kosa izany ho an’ny teratany vahiny. Ankoatra izay, mbola hiantohana ihany koa ny saran’ny famoahana izany taratasy izany eny anivon’ny cyber. Mbola tsy maintsy miandry ny fanaovan-tsonia ny mpanjifa aorian’izay, izay mahatratra hatramin’ny telo na efatr’ andro aty aoriana. Ho an’ny taratasy milaza fahafatesana, tsy mivoaka izany raha tsy handoavana vola hatramin’ny 40 000 Ariary. Mbola ahitana tsipelina diso ihany koa izany, raha tsy mamerina mamaky tsara ny olona maka izany. Anisan’ny manova zavatra be dia be, indrindra ho an’ireo razana hiala an’ i Toamasina izany.
Sakana ho an’ny olona hivoaka ivelany
Saika lasa sakana ho an’ ireo olona mikarakara taratasy hivoaka any ivelany ny fahadisoana tsipelina, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Lasa fandaniam-bola sy fotoana ihany koa izany, raha ny zava-misy hatrany. “Hanao kopia vaovao izahay fa handefa ny zanakay hivoaka any ivelany nefa tsy hita tao amin’ny kaominina ny vodiboky misy izany”, hoy ireo olona nanontaniana. Vokany, “tsy maintsy nandoavana volabe ny fikarohana izany teny anivon’ny fitsarana”, hoy hatrany ny fanazavana. Mba hahafahan’ny zaza hisitraka kopia vaovao indray. Nambaran’izy ireo hatrany fa sady lany vola sy fotoana mandritra izany. Mbola mivezivezy miakatra sy midina eny anivon’ny fitsarana sy ny kaominina ihany koa.
“Tsy mahay na inona na inona ny olona miandraikitra ny sora-piankohonana eny anivon’ny kaominina satria mandiso zavatra foana”, hoy hatrany ity renim-pianakaviana iray ity.
Zo fototry ny olombelona iray manomboka izy vao teraka ny fananana sora-piankohonana, amin’ny ankapobeny. Maro ny tombontsoa azon’ny tsirairay avy amin’ny fananana izany mandritra ny fiainany iray manontolo. Anisany ahafahana miditra an-tsekoly izy io, ahafahana manao karapanondrom-pirenena rehefa am­py taona ihany koa. Hita­diavana asa sy mivoaka any ivelany ihany koa. Araka iza­ny, tsy tokony hanaovan’ny ray aman-dreny na mpiahy ary ny sampandraharaha eny anivon’ny kaominina misahana ny sora-piankohonana atsirambina ny fikarakarana azy io.
Ankoatra izay, tsy ny olombelona ihany no tokony hisitraka ny sora-piankohonana fa misitraka izany koa ny olona efa maty amin’ny alalan’ ny sora-pahafatesana. Ani­san’ny taratasy tsy maintsy ilaina amin’ny fikarakarana ny razana hatramin’ny fandevenana izany. Mahatonga fiovan-javatra betsaka eo amin’ny fianakaviana ny fahadisoan-tsipelina amin’ireny taratasim-panjakana ireny. To­kony hitandro ny hasarobidin’izany avokoa ny olon-drehetra.

Iniana disoina mba hahazoana tombontsoa

Nahafahan’ny delegen’ny boriborintany iray any Toamasina namoaka taratasy fanamarihana maha mpandova (acte de notorieté) ny trangana fahadisoana mateti-piseho tahaka izao, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Raha ny marina, endrika fisolokiana sy fisandohana ny fanaovana kopiam-pahaterana hosoka. Tanjona hanaovan’ny maro izany ny hahazoana lova sy fananan’ny olona iray maty nefa tsy niteraka. Hialana amin’ny filazana io olona maty io fa tsy niteraka izy io.
Raim-pianakaviana iray niasa teo anivon’ny orinasa Ambatovy no maty. Taorian’izay, nikarakara ireo antontan-taratasy hosoka rehetra ny mpiasa teo anivon’ny kaominina, mba hahafahana mandrombaka ny harena noharian’io olona maty io. Raha mbola variana tamin’ny fikarakarana ny razana kosa ny fianakavian’ny maty rehetra. Herinandro taty aorian’ny fandevenana, nahatsikaritra ny fianakaviana fa nisy taratasy fanamarihana maha mpandova nivoaka. Nentina avy hatrany teny anivon’ny fitsarana, araka izany, ny raharaha ary efa eo ampelantan’ny fitsarana amin’izao fotoana. Efa nanao taratasy fanafoanana kosa ilay delegen’ny boriborintany iray tany an-toerana.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: