Nivoaka ho mpandresy nandritra ny fifaninanana “Open division Analamanga”, taranja volley-ball, ny ekipan’ny ASI sy ny Squad 1.
Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’ Ankatso, ny fifaninanana “Open 2è division Analamanga”, taranja volley-ball. Voahosotra ho tompondaka, nandritra izany, ny ASI, teo amin’ny sokajy lehilahy ary ny Squad 1 kosa, teo amin’ny sokajy vehivavy. Tompondaka lefitra kosa ny VBCD, lahy sy vavy. Ankoatra ny maha ekipa tompondaka azy ireo, nahazo ny mpilalao mendrika indrindra ihany koa ny ASI sy ny Squad 1. Teo amin’ny lehilahy, i Josoa Allen Noa (ASI) no nahazo ny anaram-boninahitra ho mpilalao mendrika. Raharinala Juliana (Squad 1) kosa no nahazo ny mpilalao mendrika, ho an’ny sokajy vehivavy. Teo amin’ny lalao fiadian-toerana fahatelo kosa, nandresy nanoloana ny Squad 2, tamin’ny seta 3 no ho 0, ny ekipan’ny CVB, ho an’ny sokajy lehilahy. Nandavo ny AVBC, tamin’ny seta 3 no ho 1, kosa ny CSA, teo amin’ny sokajy vehivavy ka nahazo ny laharana fahatelo, tamin’ity fifaninanana “Open 2è division Analamanga” ity. Ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, 1è division, lahy sy vavy, indray no fandaharam-potoana manaraka, eo amin’ity taranja ity. Fifaninanana izay hatao eny amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano, manomboka ny 21 septambra izao. Efa mamaramparana ny fandaharam-potoana ho an’ny taom-pilalaovana 2024 ihany koa amin’izao fotoana izao, ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny volley-ball.
Mi.Raz