Fandraisam-pitenenana imasom-bahoaka : mampitombo ny fahatokisan-tena eo amin’ny olona tsirairay

Anisan’ny sakana mahazo ny ankamaroan’ny olona tsy handray fitenena imasom-bahoaka ny henatra, ny tahotra , ny tebiteby ara-tsosialy sy ny maro hafa. Mampitombo ny fahatokisan-tenan’ny tsirairay ny fandraisam-pitenenana matetika.

Zava-dehibe ny fahafehezana sy fahaizana mandray fitenenana imasom-bahoaka. Mitaky fifehezana zavatra maro izany mba hahafahana maka ny fon’ny mpijery sy ny mpanatrika. Anisan’ ny tsy hahasahian’ny maro manao izany ny tahotra sy ny rarintsaina. Misy mihitsy ireo tsy mahavoaka feo, na tsy mahatadidy ireo izay teny tiany ho teneniny, eny ambony sehatra. Glossophobia ny anaran’ny tahotra mahazo ny ankamaroan’ny olona tsy sahy mandray fitenenana. Miseho amin’ny endriny maro ny tahotra mety hahazo ny olona mandritra na mialoha ny fandraisana fitenenana imasom-bahoaka. 90% ny mponina no mahatsapa fitempon’ny fo haingana. Fantatra ihany koa fa manana karazana tebiteby ara-tsosialy ny 89,4% ny olona tsy sahy miteny imasom-bahoaka. Vao mainka matahotra sy mitebiteby ny 60% ny olona eo anatrehin’ny olona fantany tsara. Mano­didina ny 10% amin’ny mponina no tia miteny am-pahibemaso, raha ny fanadihadiana nataon’ny National Speech Anxiety Institute, tamin’ny taona 2019. Mahatratra hatramin’ny 83% ny mponina mahatsapa tahotra rehefa hiteny imasom-bahoaka, raha ny fikarohana navoakan’izy ireo hatrany. Saro-kenatra avokoa ny 10 % amin’izy ireo, tsy mahasahy maneho hevitra.
Maro ny tombontsoa avy amin’ny fahafehezana ny fandraisam-pitenenana imasom-bahoaka. Anisan’ny mampitombo ny fahatokisan-tena sy manala ny tahotra ary ny henatra ny fahafehezana izany, raha ny fanadihadiana natao. Mba hahatongavana amin’izany, voalohany, ilaina ny fiomanana mialoha ny fandraisam-pitenenana. Eo koa ny fanaovana fikarohana sy fanoratana ireo hevi-dehibe izay tian-ko lazaina, mba ho voafehy tsara ny zavatra rehetra hotenenina. Faharoa, ny famerimberina ny zavatra holazaina sy hotenenina. Fahatelo, ny fahaizana mambabo sy maka ny fon’ny mpijery amin’ny alalan’ny fahafehezana ny fitenena amin’ny alalan’ny fiteny sy fijery ary fihetsika. Fahatelo, ny fahaizana mijery ny mpanotrona mandritra ny fandraisam-pitenenana. Zava-dehibe ny fanaovana io fihetsika farany io satria anisan’ny hahafantaran’ny mpijery fa miantefa any aminy ny zavatra tian’ny mpitantara tenenina. Anisan’ny sakana iray hafa tsy handraisan’ny maro fitenenana imasom-bahoaka ny tsy fahasahiana mijery olona. Azo atao tsara ny mijery ireo mpanatrika amin’ny tampin-kandrina fa tsy amin’ny maso mivantana. Fanampin’izay, ilaina ny fahazaina mandaha-teny sy mampiasa lantom-peo isan-karazany mandritra ny fitenenana. Ahafahana mandefa fihetseham-po ny fanaovana izany. Ankoatra izay, tsara ihany koa ny mampiasa ny fahanginana mialoha ny hidirana amin’ny fizaram-pitenenana faharoa. Mba hahafan’ny mpihaino mitsakotsako sy zavatra notenenina sy miomana indray amin’izay holazaina manaraka. Tsara ihany koa ny fahaizana mampiasa sy mampiaraka ny fihetsika sy ny fijery mandritra ny fitenenana. Anisan’ny manampy ny olona hahazo ny tiana hotenenina rehetra ny fahaizana mampiaraka izany.

Tsy azo atao ny manao tanana am-paosy
Anisan’ny tsy azo atao mandritra ny fandraisana fitenenana ny manao tanana am-paosy. Tsy tsara ihany koa ny manondrotondro olona fa ny manodidina ny tsara tondroina raha ilaina ny manao izany.

 

Ampirisihina ny zaza dieny mbola kely

Misy amin’ireo ankizy sy zaza no efa havanana sy tia mandray fitenenana imasom-bahoaka, raha ny zava-misy. Tsara ny fampirisihana azy ireny dieny mbola kely. Mba hazoto handray fitenenana mandra-pahalehibeny. Tanjona ny hahafahany manana fahatokisan-tena sahady, manampy azy hahafehy ny fihetseham-po sy hanala azy amin’ny tahotra isan-karazany izany. Ankoatra izay, anisan’ny manampy be ny fahatokisan-tenan’ny ankizy iray ny fiaraha-mijoro amin’ny olona tena akaikin’ny fony rehefa handray fitenenana izy.

Fanaovana fanatanjahantena sy fisotroana rano mafana
Raha toa ka misy olona tsy havanana amin’ny famoahana feo mafy, tsara sy ampirisihina izy ireny amin’ny fanaovana fanatanjahantena. Anisan’ny manampy betsaka amin’ny famoahana feo mafy ny fananana vatana matanjaka. Etsy ankilany, efa maro ny ivontoerana hanampiana ireo tanora hahay sy hahafehy ny fandraisana fitenenana imasom-bahoaka. Manampy betsaka ny fisotroana rano mafana, indrindra mialoha ny fandraisam-pitenenana na eny anelanelam-potoana. Fanampin’izany ny fifohana rivotra miadana amin’ny orona sy ny famoahana izany amin’ny vava.

Nanatontosa :Mino

Partager sur: