Vokatra iray be mpanjifa sy be mpitia ny huitre sy tekateka, raha ny zava-misy eto amin’ny Nosy. Ataon’ny olona kalsioma sy hitsaboana aretina ny tena ihinanana izany.
Anisan’ny hazandranomasina iray misy eto Madagasikara ny huitre sy tekateka. Efa nanjifa izany tao anatin’ny taona maro ny vahoaka malagasy. “Miha mitombo kosa ny mpanjifa tato anatin’ny taona vitsy, indrindra tamin’ny fotoana nisian’ny valanaretina covid-19 teto amin’ny Nosy”, hoy ireo mpivarotra nanaovana fanadihadiana. Mirisika ho azy mihinana ireo vokatra ireo ny olona rehefa mahatsapa faharariana tsy ahitam-pahasitranana nandritra ny fotoana ela eo amin’ ny vatany, raha ny fanadihadiana natao. Anisan’ny mampirisika ny fihinanana azy io koa ny mpitsabo, indrindra ho an’ny olona tsy mety mitazona kalsioma ny vatany. Na izany aza, misy hatrany ireo olona tsy mba tia mihinana azy io. Saika ahitana mpivarotra izany ny tsena maro, toy ny etsy Anosibe, Andravoahangy, 67 ha, Ampefiloha, Anosy sy ny maro hafa.
Natao ho kalsioma sy mampantanjaka ny tena hitiavan’ny olona manjifa sy mihinana azy ireny, raha ny fanazavana. “Efa nahitana vokatra tsara teo amin’ny fahasalaman’ny vatana ny fihinanana azy ka antony mahatonga ahy tsy mitsahatra mihinana azy”, hoy Razily, raim-pianakaviana. Ramatoa iray no niaina tao anatin’ ny aretim-balahana nandritra ny taona maro. “Tsy nahavita nanasa lamba mihitsy tamin’izany noho ilay aretina”, hoy i Harisoa, renim-pianakaviana nanontaniana. Nambarany fa efa nentina notsaboina tany amin’ny dokotera fa tsy nahitam-pahasitranana fa rehefa nihinana huitre dia sitrana. “Tapa-kevitra nihinana huitre avy eo ary afaka sy sitrana soamantsara ny aretina nandreraka ahy”, hoy hatrany izy. Ankoatra izay, anisan’ny manasitrana ny fatigue general (havizanana tafahoatra) ihany koa ny fihinanana azy io. Renim-pianakaviana iray hafa no tratrin’ny aretina manakotsako teo amin’ny tongotra ilany iray manontolo, nandritra ny herintaona. Tapakevitra nihinana tekateka izy rehefa lany haiky tamin’ny fitsaboana tany amin’ny dokotera. “Nihinana tekateka nandritra ny telo andro aho, dimy isa isan’andro no nohaniko, nanomboka niha sitrana ilay tongotro avy eo ary sitrana soamantsara amin’izao fotoana izao”, hoy i Claire, renim-pianakaviana iray hafa nanontaniana.
Sakafo be otrikaina
Voasokajy ao anatin’ny sakafo be otrikaina ny huitre sy tekateka. Ahitana «oligo-éléments» sy «minéraux», «cuivre», “B12”, «fer», «zinc», «vitamines C, D et E», «riboflavine» sy ny maro hafa ihany koa izy. Manodidina ny 100 g isan’andro eo ny fatra tsara hohanin’ny olona tsirairay avy. Tsara ho an’ny ankizy mbola mianatra, sy manampy betsaka amin’ny fifantohana izy io, ankoatra ny fahazahoana kalsioma sy otrikaina maro hafa. Miaro ny fahasalaman’ny fo sy ny fikorianan’ny ra ihany koa izy io noho ny «potassium» sy ny «magnésium» hita ao aminy. Manampy amin’ny fampihenana vatana ihany koa. Tafiditra ao anatin’ny sakafo tsy be kaloria ka mety ho an’ ireo te hampihena vatana. “Tsy tokony ho sasana amin’ny rano ny huitre satria manjary lasan’ny rano ny sira natoraly sy ilay rano natoraly ao anatiny”, hoy i Harisoa, mpivarotra huitre. Tsakoana tahaka ny sakafo rehetra ny fihinana azy na dia misy aza ireo tonga dia manatelina izany avy hatrany.
Mahavelona ny fivarotana huitre
Avy any Toliara ny tekateka, raha avy any Mahajanga kosa ny huitre eto Madagasikara. Samihafa tanteraka izy ireo na eo amin’ny paoziny na ny tsirony. Rehefa mandeha ny tsena dia mahalafo huitre manodidina ny iray gony sy tapany isan-kerinandro eo ny mpivarotra iray eto Antananarivo. Mahatratra hatramin’ny 140 000 hatramin’ny 120 000 Ariary ny vidin’ny huitre iray gony, arakaraka ny habeany. Manomboka 500 Ar eo dia efa mahazo azy io eny an-tsena. Mihinana telo dimanjato ny ankamaroan’ny olona. Misy mihinana izany hatramin’ny 12 isa isan’andro, arakaraka ny filàn’ny vatana sy ny fahazarana. Tsara ny hampiarahina ny fihinanana azy ireo amin’ny sakafo misy vitamine A toy ny voasary makirana. Maro amin’ny mpivarotra no mampiasa fangaro hafa hihinanana azy eny an-tsena. Anisan’izany, ny vinaigre sy tongolo, voasary makirana, voamadilo ary sakamalao.
“Mora tahirizina ny huitre amin’ny ankapobeny, izay hamidy ihany no lemana sy avoaka eo ambony latabatra”, hoy ireo mpivarotra. Maharitra eo amin’ny herinandro eo ny faharetan’ny fitahirizana. Efa maty kosa izy raha mihoatra io fetr’andro io, ary tsy azo hohanina intsony. Efa mamoaka fofona maimbo ny hahafantarana azy io fa efa maty. Mamparary olona sy mety hahafaty mihitsy ny fihinanana azy io maty na misy loto tafiditra, raha ny fanazavana voaray hatrany. Kely aina sy mora maty kokoa ny tekateka raha oharina amin’ny huitre.
Nanatontosa : Mino