«Madajazzcar» andiany faha-35 : hasongadina kokoa ireo vehivavy mpanao jazz

Fotoan-dehibe ho an’ny zavakanto! Hivoaka an’Antananarivo ny «Madajazzcar» amin’ity andiany faha-35 ity. Homena sehatra bebe kokoa ireo vehivavy mpiangaly ny jazz, mandritra ny roa herinandro.

Volana oktobra, volana mampamiratra ny zavakanto. Amin’io hatrany no hanatontosana ny «Mada­jazzcar», izay zokiny sy naharitra indrindra amin’ny «festival» misy eto Madagasikara. Raikitra fa ny 3 hatramin’ny 13 oktobra izao no hanaovana ny andiany faha -35 amin’ity. Hivelatra toerana maro izany, ka handray ny «Madajazzcar» koa Antsirabe, Nosy Be ary Ampefy, ankoatra ny fandaharam-potoana eto Antananarivo.
«Homentsika toerana ma­nokana ny vehivavy amin’ity. Mila ialana ilay fiheverana fa ny lehilahy ihany no milalao jazz, satria efa tena betsaka ireo vehivavy milomano ao anatiny, izay efa nanamarika ny tantaran’ny jazz teto Ma­dagasikara ihany koa», hoy ny nambaran’i Jackie Ranarison, filohan’ny komity mpikarakara ny hetsika.
Hanana ny toetrany ihany koa ny fanomezam-boninahitra ireo efa nodimandry, satria nisy 3 be izao ireo mpanakanto niara-niasa tamin’ny «Ma­dajazzcar» no lasa tamin’ity 2024 ity. Dédé Rabeson, mpiangaly ny saxophone anisan’ny fanta-daza, Fanaiky izay mpitendry gitara beso nikoizana ary i Serge Henri Rodin, izay sady mpanao mozika, mpampianatra literatiora sy zavakanto no mpikambana mahefa ao anatin’ny komity mpikarakara ihany koa.
Ny 3 oktobra no hotontosaina etsy amin’ny Havoria Anosy ny seho fanokafana ny hetsika. Hanafana ny sehatra mandritra izany ry Fanja Andriamanantena, Datita Rabeson Group, Samy An­driamanoro, Vatsiahy Rava­loson, Tahiry Andriamanoro. Ao amin’ny Alliance française kosa ny seho fanokafana ho an’Antsirabe, ny 3 oktobra ihany, manomboka amin’ny 7 ora alina. Ry Eric Rakotoary, Jaquis Ralf & Co Ary Moria Randrianantenaina kosa no hanafana izany.
Tsy fampisehoana ihany ny “Madajazzcar”, hisy ihany koa ny fampahafantarana ny tantaran’ny jazz, ny velakevitra isan-karazany, ny fampiofanana, sns . Amin’ny Maha hetsika iraisam-pirenena azy, handray vahiny mpanakanto maromaro ihany koa ity andiany faha-35 ity.

Zo ny Aina

Partager sur: