Adim-piainana sy fitadiavan-karena: mirona amin’ny finoana ny hery tsy hita maso ny Malagasy

Amin’izao fotoana izao, manatona om­biasa sy mpitaiza olona ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Betsaka ihany koa anefa ny ma­monjy mpiandry eny anivon’ny fi­angonana. Anto­ny mandrisika azy ireo ny olana vo­katry ny adim-piainana sy ny fitiavan-karena ary noho ny aretina mahazo.

Ambanivohitra sy miala ny renivohitra no tena ahitana ny mpitaiza olona na ny ombiasa amin’ny ankapobeny. Mitsabo amin’ny alalan’ny tapakazo sy vakana ary zavatra hafa maro izy ireo mandritra izany. Tsy mifidy fa tsaboin’izy ireny avokoa rehefa karazana aretina tsy sitram-panafody, na mosavy, na ireo olana hafa toy ny adaladala kely. Ankoatra izay, manampy ireo olona mitady harena na te hanatsara ny fari-piainana ihany koa. Maro ny olona voasarika manatona azy ireny amin’izao fotoana izao. Ani­san’ny antony handehanan’izy ireny amin’ny mpitaiza ny fitadiavan-karena, fampitomboana harena, te ho lasa mpiasam-panjakana, hanao fampiakaram-bady, mijery an­drom-pamadihana ary mitsabo tena noho ny aretina, ny olana ara-pitiavana… “Entina am-bavaka sy angataham-pitahiana avy amin’Andria­ma­nitra sy ny razana ny faniriana mba ho tanteraka soa aman-tsara”, hoy i Roger, ombiasa iray nanaovana fanadihadiana.
Misy sarany hatramin’ny 6 hetsy Ariary
Misy sarany ny fanatonana ireny olona ireny amin’ny ankapobeny fa tsy vita maimaimpoana. “Arakaraka ny zavatra angatahin’ilay olona sy ny sokajin’olona no hamaritana ny vola alaina amin’izy ireo”, hoy hatrany izy. Anga­tahana izay foy ireo sokajin’olona mahantra, na tojo tsy fahasalamana, ny antony hanatonan’ny olona azy. Misy kosa anefa ny tsy maintsy takina vola “consultation”, ho solon’ny fanomezam-pahasoavana sy ny zavatra tadiavin’ilay olona. Voakasik’izany ny mpanao vato, mampitombo harena sy ny maro hafa. Raha hijery androm-pamadihana indray kosa, manodidina ny 1hetsy hatramin’ny 6 hetsy eo farany ambony ny vola takina amin’izy ireny. Asaina manao vava ihany koa ny hafa mba hanatitra vola rehefa vita sy tafavoaka soa aman-tsara ny zavatra iriny hatao. Tanjona ny hampamari-pototra ny ha­rena sy ny zavatra natsangany. Raha ho an’ny mpitrandraka vato manokana indray. “Efa miasa any izy ireo fa tsy mahita fahombiazana mihitsy vao manatona ireo mpitaiza olona”, hoy hatrany ity mpitaiza olona ity. Tsy voatery mahita fahombiazana foana anefa fa misy ireo mifanambina na tsia ka mahatanteraka ny faniriana. Tsy misy antoka fa rehefa mifanambina sy tahin-janahary dia mivaly ny zavatra nangatahina. “Omby lahy mazava loha no takina amin’izy ireo, dorana amin’ny fatana izany, indrindra ho an’ireo tany mahery loha”, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Ankoatra izay, anisan’ny antony hanatonan’ny olona ireny mpitaiza olona na ombiasa ireny koa ny fanaovana ody maimbo, indrindra ho an’ny razana lena.

Nidiran’ny fanahy ratsy

Etsy ankilany, misy koa ny olona manatona tomponandraikitra mamaha olana eny anivon’ny fiangonana, toy ny mpiandry, pasitera, mompera sy ny maro hafa. Anton’izany ny hamahana ireo olana madinika eo amin’ny fiainana andavanandro, ny fitadiavana asa, aretina tsy mety sitrana, hidiran’ny fanahy ratsy sy ny maro hafa. “Anisan’ny aretina sitranina sy raisin’ny mpiandry an-tanana ny olona hidiran’ny devoly, ny aretina ao amin’ny kibo, olana ara-tokantrano sy ara-pianakaviana”, raha ny fanazavana voaray. “Mandrisika ny olona hanatona ireny mpiandry ireny ny finoana fa mamaha olana i Jesosy”, hoy Raharivololona Marcelline, mpiandry eo anivon’ny FJKM Ziona fahazavana Anosibe. Mahatratra hatramin’ny 200 eo ny olona raisin’izy ireo an-tanana isaky ny alarobia sy zoma hariva, any am-piangonana. “Misy ny dinika atao amin’ilay olona marary na ny fianakaviany alohan’ny handraisana ilay marary. Mba hamantarana ny zavatra efa nataon’izy ireo, indrindra mahakasika ny fitsaboana efa natao teo aloha”, hoy hatrany izy. Dorana avokoa ireo fitaovana efa nampiasainy ary atolotra eo an-tanan’Andriamanitra ny fanasitranana ny aretina mahazo ilay olona, raha ny fanazavana hatrany.
Misy ny sitrana vetivety fa misy ireo maharitra aman-taona mihitsy vao sitrana. Sitrana vetivety ny marary iray, raha hiasana intelo misesy any an-trano. Taizana any amin’ny toby manokana handraisan’ny fiangonana izany kosa ireo ela vao sitrana. Amin’ny ankapobeny, mahatratra dimy na enina ireo mpiandry manala devoly amin’ny olona iray, rehefa tena mahery vaika ny aretina. “Mafy ary mandalo fisedrana maro ny fanatanterahana ny asa manoloana ny satana fa ilana finoana matanjaka sy faharetana”, hoy hatrany izy nanamafy.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: