Loka Castel : orinasa 6 nankasitrahana

Nampahafantarina omaly, ireo orinasa 6 tantanin’ny tanora, men­drika tamin’ny fifaninanana “Loka Castel 2024”. Nanatrika ny fotoana ny tale jeneralin’ny Star, Matthieu Seguin. Tanjona ny hanohanana ny fandraharahana isaky ny firenena, ka misy ny tohana ara-bola sy fanofanana, hanamafisana ny fahaiza-mitantan’ireo tanora mpandraharaha misehatra amin’ny fambolena sy ny indostria eto Mada­gasikara. Nahazo ny laharana voalohany, ny Riz Golo, avy amin’ny kaoperativa Tana­masoandro, nentin’Andrianina Hanitriniaina, amin’ny famokarana sy fivarotana vary masaka, nahazo 15 000 euros. Faharoa ny Bio source farm, nentin-dRasolomampionona Tendry, fanangonana fako organika sy fiompiana lalitra miaramila, nahazo 10 000 euros. Tetikasa nankasitrahan’ny mpitsara manokana, ny Moly company, nentin-dRan­jalahy, manangona, manodina ary mivarotra kafe, nomena 5 000 euros. Loka tanora “Jeunes espoirs” no azon’ny Zoahary baobab, nentin-dRakotondramanana Voaha­ry, manodina sy mivarotra vovoka sy menaka baobab, nomena 1 650 euros. Hato­lotra any Alzeria sy Côte d’Ivoire ny lokan’izy ireo.

Njaka A.

Partager sur: