Tantara anisan’ ny nisongadina nandritra ny «Prix RFI Théatre 2024» ny «Zanako». Ankoatra ny votoatin’ ny tantara. Naharesy lahatra ny mpitsara ihany koa ny voambolana nampiasain’ny mpanoratra tamin’ny namolavolana azy.
Tontosa omaly, nandritra ny «Festival des Francophonies», tao Limoges, ny fanolorana ny amboara ho an’ny mpandresin’ny fifaninanana «Prix RFI Théatre 2024». Nandrombaka izany Rakotomanga Tokiniaina, fantatra amin’ny anarana entiny miantsehatra hoe Gad Bensalem. Tamin’ny alalan’ ireo piesy teatraly «Zanaka no nahazoany izany amboara izany tao anatin’ny 130 mpandray anjaran’ity fifaninanana ity. Mpanakanto manana ny maha izy azy i Gad Bensalem. Sady mpandrindra an-tsehatra no mpanoratra, mpiangaly “Slam” ary mpanao hatsikana izy. Miara-miasa amin’ny Compagnie Miangaly Théatre eto Madagasikara, ary amin’ ny Koranbolaz Company kosa ao amin’ny Nosy La Réunion. Mpanakanto anisan’ny tena nifofotra sy niezaka i Gad Bensalem. Avy amina fianakaviana maotina ary ireharehany tanteraka ny maha izy ny fianakaviany sy ny nitaizan’ny ray aman-dreniny azy.
Tantara mamaritra
vanim-potoana
Mitantara ny lasa, mampahafantatra ny zava-misy ankehitriny, ary mamaritra ny ho avy ny “Zanaka”. Tantaran’ ankizilahy nitady ny rainy sy ny tantaran’ny taniny no raketiny. Tamin’ny alalan’ny haikanto niangaliana tsara, izay mandrava tsikelikely ny lova ratsy navelan’ny fanjanahantany no nentin’i Gad Bensalem nambabo ny mpitsaran’ny “Prix RFI Théatre 2024”, notarihin’i Dieudonné Niangouna. Tantaran’i Doda, izay lahitokan’ny reniny, nilaozan-drainy. Niaina fiainana mampalahelo i Doda, izay nisehatra tamin’ny familiana kamiao. Izany dia taratry ny fandaozan’ny rainy sy ny reniny azy fony izy mbola kely. Toerana iray manamorona iny lalam-pirenena faha-44 iny no izoran’ny tantara, maneho ny zava-misy sy ny toe-piainan’ny ankamaroan’ny ankizy maro eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fiainan’ireo ray aman-dreny izay tena miezaka manao ny hahasoa ny zanany saingy tena sahirana noho ny zava-misy eto an-toerana. Asongadiny ao anatin’ny tantara fa nanomboka ny faramparan’ny taona 1980, ny fiandohan’ny taona 1990, ny nanodidina ny taona 2000 hatramin’ny 2010, somary nisavoritaka ny fiainana teto Madagasikara. “Ny RN 44 no asongadiko ao anatin’ny lahatsoratro. Ity lalana ity izay lalana efa simba hatry ny ela. Lalana mirefy 350 kilometatra eo ho eo saingy atao mandritra ny adiny valo, tamin’izany, amin’ny alalan’ny fiara fitateram-bahoaka. Noho izany, fantatro tsara ilay izy, ary fantatro tsara rehefa vanim-potoan’ny rivodoza. Efa vita izy ankehitriny saingy fahatsiarovana ho ahy, indrindra nandritra ny fahazazako ny niainana taminy”, hoy i Gad Bensalem. Ao anatiny haisoratra miisa 35 pejy no anehoany izany sanganasany izany. Mirafitra sahala amin’ny tononkalo, mirindra sahala amin’ny “Slam”. Voatantarany amin’ny alalan’ny voambolana miavaka sy manome endrika kanto ireo mpandray anjara fototry ny tantara.
Vokatra avy amin’ny teny
“Nanana tombony lehibe aho tafiara-miaina tamina olona manana fankafizana teny, sy tia mampita sy mizara. Tsy dia nahita fianarana ny ray aman-dreniko saingy tsapako avy amin’izy ireo ny fitiavana ny teny sy ny haisoratra ary notaizany tao anatin’izany aho”, hoy i Gad Bensalem. Vao mainka nanampy sy nanosika izany fitiavany ny teny izany ny fianarany teny anivon’ny ambaratonga ambony. Voatery nandalina sy nianatra ny teny Frantsay izy na dia somary tsy manavanana azy aza, tamin’izany, araka ny nambarany. Lasa fitaovana nahafahany nivelatra tamin’ny sehatra maro, indrindra teo amin’ny zavakanto izany teny Frantsay izany, taty aorina. Raha ho an’ny sehatry ny teatra kosa, ny taona 2009, nandritra ny fianarany tao amin’ny ENS Ampefiloha, no nanombohany sy nivoarany tao anatin’izany sehatra izany.
Nanatontosa : Lin