Tsy fandriampahalemana tao Toamasina: 227 ny olona maty nandritra ny roa volana

Olana iray mampimenomenona sy mampitaraina ny mponina amin’ny faritra rehetra ma­nerana ny Nosy ny trangana tsy fandriampahalemana. Anisan’ny miaina izany tsy tapaka hatramin’izao ny faritanin’i Toama­sina. Betsaka ireo olon-tsotra maty vokatry ny asan-jiolahy isan-karazany.

Manjaka ny tsy fandriampahalemana any amin’ny faritr’Atsina­nana tao anatin’ny fotoana maro izay. Ahitana izany avokoa eny anivon’ny fiarahamonina na aiza na aiza. Manao ranolava ny vono olona sy ny fahafatesan’olona amin’ny endriny maro samihafa ao an-drenivohitr’i Toamasina. Ma­hatratra 227 ireo olona maty vokatry ny tsy fandriampahalemana nandritra ny volana aogositra sy septambra, tany an-toerana. Miisa 128 ireo olona namoy ny ainy vokatry ny tsy fandriampahalemana ny volana aogositra, raha 99 kosa izany nandritra ny volana septambra. Raha ny antontanisa voaray, efatra tamin’izy ireo no maty voatifitry ny balan’ny jiolahy. Roa hafa voan’ny balan’ny mpitandro filaminana. Olona iray hafa maty voatsindrona antsy nampiasain’ny jiolahy.

Jiolahy matin’ny
zandary
Amin’izay tsy fandriampahalemana eo amin’ny fiarahamonina izay ihany, nirefodrefotra ny basy tao Tanamakoa. Jiolahy efatra nanafika renim-pianakaviana iray mpanao Cash point tao an-toerana, ny alin’ny 2 septambra lasa teo. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny vola rehetra tao amin’ilay Cash point sy ny finday fampiasan’ity ramatoa ity. Nifanenjehan’ny zandary, notarihin’ny Kaomandin’ny kaompanian’ i Toamasina, Mangazafy Aicha Cyprienne, ireo jiolahy ireo taorian’izay. Voasambotra tamin’izany ny jiolahy iray tompon’antoka tamin’ny asa ratsy. Hatra­min’izao, mbola eo am-pikarohana an’ireo jiolahy naman’ity voasombotra ity, araka izany, ny mpitandro filaminana any an-toerana. Raha ny fantatra, efa nandrasan’ireto jiolahy ireto teo amin’ny vavahadiny ilay ramatoa mpanao Cash point. Rehefa nandalo, notsatohan’izy ireo avy hatrany tamin’ny antsy teo amin’ny fony sy ny ambany helikany. Namoy ny ainy tao amin’ny hopitaly ilay ramatoa ny alina. Tanora vao herotrerony avy any Toliara ary monina ao Tanamakoa ity jiolahy voasambotra ity.

Andrimasom-pokonolona
Hamaha ny olana sedrain’ny mponina ny fametrahana ny andrimasom-pokonolona eny anivon’ny fokontany. Ta­paka izany nandritra ny fivoriambe niarahan’ny OMC sy ny sefo fokontany ary ny mpandraharaha any an-toerana, ny 21 aogositra teo. Hetsika natao tao amin’ny Lapan’ny prefektiora Man­garano. Mbola maro ireo fokontany tsy nahatsangana io andrimasom-pokonolona io amin’izao fotoana, raha ny fanadihadiana natao. Marihina fa nanomboka ny 21 aogositra hatramin’ny 21 septambra teo ny fe-potoana tokony ho nanaovana izany.

Tsy fahafahana mividy fanafody

Anisan’ny olana sedrain’ny mponina any an-toerana ny olana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana. Miteraka tsy fandriampahalemana ny tsy fahampian-tsakafo, “insecurite alimentaire”. Manampy izany koa ny tsy fahasalamana noho ny tsy fahafahana mividy fanafody sy mitsabo tena satria lafo loatra ireo.

Fito ireo olona maty tampoka

Nahatratra fito (7) ireo olona maty tampoka noho izany zava-misy izany. Raim-pianakaviana iray hafa maty vokatry ny fianjerana tampoka nahazo azy teny amin’ny lalana manamorona ny godorao Ralaimongo, cite Canadà, any Toamasina. “Misy areti-mitaiza izy ary tsy maharaka ny vola hividianana fanafody, izahay koa fianakaviana sahirana”, hoy ireo fianakaviany. Nambarany fa tsy misakafo mihitsy aza indraindray noho ny tsy fahampian’ny sakafo ara-pahasalamana ho an’io raim-pianakaviana nisy areti-mitaiza io. Olana iainan’ny rafi-piarahamonina avokoa izany rehetra izany ary miteraka famoizan’ aina, raha ny zava-misy.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: