Sehatry ny fananan-tany : saika fandovana avokoa ny 70% ny fahazoan’ny Malagasy tany

Malalaka sy mi­dadasika i Mada­gasikara raha ny velarantany eto an-toerana. Amin’ny ankapobeny, azo avy amin’ny fandovana avokoa ny fomba iray ahazoan’ny Mala­ga­sy tany.

Azo avy amin’ny fandovana avokoa ny 70% ny tany ananan’ny vahoaka malagasy, raha ny antontanisa voaray teo anivon’ny Sif. Nambarany fa mila jerena ny fomba hahazoan’ny Malagasy tany eto amin’ny firenena. Tany efa nampiasain’ny fianakaviana fahiny no mbola ampiasain’ny taranaka amin’izao fotoana izao ary mbola ho ampiasaina ho an’ny taranaka fara-mandimby. Matetika, mbola amidy ireny tany ireny noho ny fahasahiranana mianjady amin’ny olona sasany. Miha mihena hatrany ary miha tsy manana tany intsony ny ankamaroan’ny Malagasy, raha tsy manana tetikady manokana mahakasika ny fitsinjarana ny tany isika, raha ny fanazavana hatrany. Miezaka foana ny eo anivon’ny Sif amin’ny filazana fa tsy tokony hisy Malagasy tsy hanana tany, ao anatin’ny fanovana lalàna sy ny politikan’ny fananan-tany. Ankoatra izay, 50 % ny tany manerana izao tontolo izao no fantatra sy tafiditra ao anatin’ny tanim-pokonolona, raha ny antontanisa voaray avy amin’ny tomponandraikitry ny RRI aty Afrika, Patrick Kipalu. Tsy mbola manana antontanisa mahakasika izany kosa ny eto Madagasikara.
Niompana amin’ny fanaovana titre sy karatany ihany ny politikan’ny fananan-tany eto Madagasikara, raha ny fanazavana voaray hatrany. Efa 20 taona izay no nisian’ny sehatra iombonana ho an’ny fananan-tany (Sif) eto Mada­gasikara. “Mbola hita miverina ankehitriny ny olana nisy teo amin’ny fananan-tany tao anatin’ny roapolo taona lasa na dia teo aza ny fanovana ny politikan’ny fananan-tany sy ny fanovana lalàna sy ny maro hafa”, hoy Soavina Lahatra, tomponandraikitra ara-teknika eo anivon’ny Sif, raha ny fanadihadiana natao. Nambarany fa mbola misy zavatra tokony hahitsy foana ao ahafahana misoroka ny olan’ny fananan-tany. Malalaka sy midadasika i Madagasikara, raha ny zavatra tsapa sy hita. “Misy olona 46 mipetraka isaky ny kilometatra toradroa ary tsy tokony hanana olana amin’ny fananan-tany isika eto Mada­gasikara”, hoy hatrany izy. Tokony hapetraka tsara ny famaritana ny fananan-tany sy ny tokony hijerena miaraka ny fomba fisitrahana sy fahazoana tany. Hamaritan’ny maro ny fananan-tany eto an-toerana ny fironana amin’ny fanaovana porofo ho amin’ny zo fananan-tany, raha ny zava-misy. Miompana amin’ny zavatra telo ny vahaolana entin’izy ireo. Voalohany, ny fanamorana ny fomba fahazoana tany. Faharoa, ny fandaminana ny fomba fampiasana sy fanajariana ny tany ho afaka ampiasaina. Fahatelo, ny fiarovana ny zo hanana tany eo amin’ny tsirairay.
Tandindonin-doza raha tsy voaaro ny tanim-pokonolona

Eto Madagasikara, tsy mbola misy ny lalàna miaro ny zo amin’ny fananana tanim-pokonolona Maro anefa ny tany ampiasain’ny fokonolona, misy tany iorenan’ny zavatra iombonana. Ohatra amin’izany, ny tany firaofan’omby, tany ambolen-kazom-pokonolona, ny faritra misy ny fomba amam-panao sy ny maro hafa.Tandindonin-doza, araka izany, ny fananana tanim-pokonolona eny amin’ny fokontany tsirairay avy eny noho ny tsy fisian’ny lalàna miaro.
Tsy afaka soratana amin’ny anaran’ny fokonolona anefa ireny tany ireny. “Mila alamina izany rehetra izany mba hijerena sy hiarovana ny zo amin’ny fananan-tanim-pokonolona”, hoy hatrany izy. Miara-miasa sy mpiray tombon’antoka amin’ny fanjakana malagasy ny Rights Resou­rces Initiative (RRI) manohana ny fiarovana ny zo amin’ny fananantanim-pokonolona.
Ampiharina manomboka amin’ity taona ity hatramin’ny taona 2030 ny fandaharanasa mahakasika ny fananan-tany vaovao eto Madagasikara. “Anisan’ny vaovao ao anatin’izay, ny fitsinjovana ny karazan-jon’ny olona rehetra, tafiditra ao ny zo ho amin’ny fananantanim-pokonolona”, hoy kosa Razafindratsimba Vonjy, tale jeneralin’ny Fonds national foncier.

Mitandro ny tontolo iainana

“Nihena ny fanimbana fa nitombo kokoa ny fitandroana ny tontolo iainana ary afaka mijery zavatra lavitr’ezaka ireo vondron’olona mitantana tany eny ifotony”, hoy hatrany Razafindratsimba Vonjy, tale jeneralin’ny Fonds national foncier (FNC).
Efa miroso ao anatin’ny tsenan’ny karbona ny firenena malagasy. Rafitra napetraka hanentanana ireo firenena na orinasa hampiasa vola amin’ny fampihenana ny entona ratsy manimba ny tontolo iainana ny tsena karbona. Fitaovana ahafahan’ny CO2 miova ho fananana ara-toekarena toy ny entana hafa. “Ao ambadiky ny firosoana sy fametrahana ny tsenan’ny karbona eto Madagasikara io ny resaka filana ara-tany”, hoy hatrany Soavina Lahatra, tomponandraikitra ara-teknika eo anivon’ny Sif. Tafiditra ao anatin’izany ny fambolen-kazo amin’ny velaran-tany amina hektara maro eto amin’ny Nosy. Misy resaka fambolen-kazo midadasika ao anatin’ny tsenan’ny karbona. Misy fiarovana sy famerenana amin’ny laoniny ireo zava-boahary ihany koa. Raha tsy voajery dieny izao ny fitandroana ny zon’ny vondron’olona ifotony mandritra izany. Tokony hisy fiarovana ny tanin’ny vondron’olona ifotony vao azo atao.
Mila jerena dieny izao ny tokony hitandroana ny zon’ireo olona eny ifotony, indrindra ho amin’ireo tany noeritreretina hanaovana tetikasa sy nahazoana famatsiam-bola mahakasika ny tsenan’ny karbona, raha ny fanazavana voaray hatrany. Tsara ampahafantarina ny vondron’olona eny ifotony ny zo hananan’izy ireo momba ny tany. “Tokony hojerena izany mba tsy ho lasa fitaovana fibodoana tany ny firosoan’i Madagasikara amin’ny tsenan’ny karbona”, hoy hatrany izy ireo. Nohamafisin’izy ireo fa tsy tokony ho lasa fitaovana entina hanafoanana na tsy hiraharahina ny zo amin’ny fananan-tany eo amin’ireo vondron’olona ifotony indray ny fahazoana famatsiam-bola amin’ny tsena karbona.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: