Banky iraisam-pirenena : nojerena ifotony ny fotodrafitrasan’ny lalana

Manohana ny fanarenana ny lalam-pirenena ny Banky iraisam-pirenena, indrindra ny be mpampiasa, toy ny RN2, RN4, RN6 ary ny RN7. Nitsidika ny fizotry ny asa ny irak’ity mpamatsy vola iraisam-pirenena ity, ny faran’ny herinandro teo, niaraka tamin’ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore. Nanombohana azy ny toby fandanjana ny vesatry ny fiarabe eny Ambohimalaza (RN2). Miisa 8 ny toby fandanjana fiarabe, ka misy ny mandeha tsara ary ao ny mila fanarenana. Nambaran’ny minisitra fa tsy maintsy hajaina ny fetran-danja farany ambony azon’ny kamiao entina, raha tiana hateza ny lalam-pirenena. Ho hamafisina sy sazy ho an’ireo mandika ny lalàna. Nitohy tany amin’ny fijerena ifotony ny fanamboaran-dalana ny dian’ireo delegasiona.
Noyanterahina, omaly, ny famintinana ireo fidinana ifotony nataon’ny iraky ny Banky iraisam-pirenena, nifantoka tamin’ny tetikasa lehibe momba ny lalana (PDDR, PCMCI, PACT). Nahatratra 2 000 km ny lalana notsidihina tao anatin’ny 8 andro. Afapo amin’ny ankapobeny izy ireo amin’ny fitantanana ny asa sy ny tetikasa, na teo aza ny olana mila atrehina. Nanao antso avo hanamafisana ny fomba fitantanana sy ny fiaraha-miasa bebe kokoa ny Banky iraisam-pirenena, mba hampitombo ny vokatra sy hisian’ny fiantraikany tsara ny tetikasa.

Njaka A.

Partager sur: