Ankalazaina isaky ny 5 oktobra ny Andro maneran-tany ho an’ny mpanabe. Lohahevitra tamin’ity taona 2024 ity ny hoe, « Mampianatra ilaintsika ho an’ny fanabeazana tadiavintsika, tena ilain’izao tontolo izao hamenoana ny tsy fahampian’ny mpampianatra ». Tanjona ny hahazoan’ny ankizy tsirairay fanabeazana misy kalitao omen’ny mpanabe manetry tena sady mahaleo tena. Mahatsapa izany ny tale jeneralin’ ny orinasa Airtel Africa, Sunil Taldar, fa manana ny lanjany eo amin’ny fanomanana ny ho avy ny mpampianatra, manabe ny olon-drehetra, mampivelatra ny tsirairay. Izy ireo no manokatra ny lalana mitondra fanovana sy fandrosoana ara-toekarena, mamolavola ny matihanina sy ny mpikaroka, hahazoan’ny taranaka ho avy fahatokisana.
Mpiofana 15 000
Misy fanamby lehibe anefa atrehin’ny mpanabe, toy ny tsy fahampian’ny isan’izy ireo, be loatra ny mpianatra an-dakilasy, tsy ampy ny fahazoana ny teknolojia niomerika sy ny fiofanana. Izany no nahatonga ny Airtel Africa, manohana ny sehatry ny fanabeazana sy ny fanofanana, iarahany amin’ny Unicef, ao anatin’ny fandaharanasa «Airtel Africa Free Education». Fampianarana maimaimpoana ny teknolojia niomerika tsara kalitao. Maherin’ny 15 000 ny mpampianatra nofanina manerana an’i Afrika, hiampy 8 500 ho an’ny 3 taona ho avy. Miisa 1 900 ny sekoly novatsiana Internet, mampiasa ivontoerana 28 sites web maimaimpoana.
Njaka A.




