Manana tolotra samihafa manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ny Paositra malagasy. Laharam-pahamehana ho azy ny fanakaikezana ny mpanjifa sy ny fanomezana fahafahampo ny rehetra.
Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny Paositra malagasy. Manome fahafahampo ny mpanjifa hatrany izy manoloana ny fivoaran’ny serasera ara- teknolojia. Tolotra vaovao hiarahany amin’ny fadintseranana ny Commissionnaire agréé en douane (Cad) amin’ny fandefasana entana mankany ivelany. « Afaka manao fanambarana ny entan’ny mpanjifa ny mpiasan’ny paositra ka tsy voatery entina eny amin’ny fadintseranana intsony izany », hoy ny fanazavan’ny tale jeneraly mpisolo toerana ny Paositra malagasy, Rajoelimanana Ny Andry. Nohatsaraina ihany koa ny serasera ara-bola. Misy ny tolotra e-mandat vaovao (EMV), izay ampiasana ny teknolojia ka hahazoan’ny mpanjifa eo no ho eo ny volany vantany vao maharay fanambarana mahakasika izany izy.
150 taona
Nomarihina tamina lanonana teny amin’ny Digital Center Antaninarenina ny fankalazana maneran-tany ny faha-150 taonan’ny paositra, omaly. Tao anatin’izay fotoana izay, nanakaiky ny mpanjifa hatrany ny Paositra malagasy. Nampirisika ny mpiasan’ny Paositra malagasy hanohy ny ezaka natao sy ny tolotra omena ny mpanjifa manaraka ny fivoaran’ny teknolojia, ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Stephanie Delmotte. Marihina fa manerana ny faritra ny fankalazana lehibe. Nampirantiana ireo fampitaovana vaovao avy amin’ny Union postale universelle (UPU), ho an’ny Paositra malagasy ny eto Antananarivo. Nisy ihany koa diabe natao tetsy Analakely.
Henintsoa Hani




