Anisan’ny endrika ivelany ahafantarana ny maha izy azy ny olona iray ny taovolony, indrindra ho an’ny Malagasy fahiny. Kanto ary nireharehany ny fananana izany. Somary very anefa izany ankehitriny noho ny antony maro.
Mibahan-toerana eo amin’ny Malagasy ny taovolo. Mirakitra sy maneho ivelany ny zavatra mitranga ao anaty olona iray izy io. Noho izany, manana anjara toerana lehibe ny fikojakojana azy. Zavakanto nentim-paharazana izay mitory ny taona, ny firazanan’ny olona iray sy fiarahamoniny ary manambara tranga lehibe eo amin’ny fiainany andavanandro ny taovolo. Samy manana ny anehoany izany ny ankizivavy, ny ankizilahy, ny lehilahy, ny vehivavy, ny tanora ary ny zokiolona. Misy dikany mazava arakaraka ny fomba sy ny foko manao azy ny taovolo tsirairay.
Nanalava volo daholo, na lehilahy na vehivavy, ny razamben’ny Malagasy izay tonga voalohany teto. Ny randram-bolo no tena fihaingoana ambony indrindra tamin’ ny Malagasy fahiny manohatra noho ny firavaka sy ny fitafiana aza, ka lazaina fa manova endrika sy mahatsara tarehy ny olona iray. Ireo naka vady taloha dia rendrika noho ny hatsaran’ny endrika amin’ny randram-bolo tsara tarehy, ka tsy nahadinika izay kilema hafa intsony. Ny tena randram-bolon’ny Ntaolo malagasy izay niombonan’ny foko rehetra hatraiza hatraiza dia ny mibokoboko an-tampon-doha sy andaniny roa. Mbola hita amin’ny foko maro izany mandraka ankehitriny, fa indrindra ao amin-dry zareo Antandroy sy Mahafaly.
Maro karazana sy manana dikany manokana
Maro ny karazana taovolo fanaon’ny Ntaolo teto Imerina, ka izay taovolo fanaon’ny vehivavy ihany koa no nataon’ny lehilahy. Ny nalaza indrindra tamin’izany mba hanatsarany ny taovolo bokobokon-drazany dia ireto avy : ny roambinifolo an’ila, ny fito an’ila, ny telo an’ila, ny volo madinika, ny difisesy, ny sahondra ary ny bango an-katoka sy ny tanaivoho, taovolo andavanandron’ ny vehivavy merina ankehitriny io ary fanaon’ny Ntaolo lahy koa fahiny. Ny taovolo tsirairay dia misy dikany mazava arakaraka ny fomba sy ny foko manao azy. Noho izany, ny taovolo dia ampifanarahana amin’ny toe- javamisy. Ohatra ny taovolom-pifaliana, ny taovolo andavanandro, ny taovolom-pisaonana, sns. Tsy dia sarotra ny taovolo malagasy ary ny randrana no fototr’ izany. Ny tanjona dia ny hamoronana taovolo miha sarotra hatrany izay nalain-tahaka avy amin’ny zava-maniry. Misy karazana taovolo manokana ho an’ny sokajin-taona: ny zaza, ny ankizy, ny tanora, ny tanora mitady vady, ny olon-dehibe ary ny zokiolona. Ireo no nifanavahana teo amin’ny fiarahamonina.
Anisan’ireny ny tanaivoho na antsoina ihany koa hoe bango tsotra. Soritana 4 avy ao an-tampon-doha ny volo, avy eo faranana ambaratonga 4 na 5. Randranina madinika dia akambana tadiana 2 ary ampifampidirina ao an-katoka avy eo. Tsy mifidy sokajin-taona ny tanaivoho. Niparitaka nanerana ny faritra hafa izy io ary anisan’ny taovolo fanao amin’ny andavanandro. Eo ihany koa ny Lambomiditra natao ho an’ny zaza madinika, antsoina ihany koa hoe randra-madinika.
Manomboka eo amin’ny tovovavy, ny tanaivoho no iraisana. Raha vehivavy maty vady kosa dia bango tokana, randrana iray ao an-katoka no entiny. Raha misy zaza foraina ao amin’ny fianakaviana, dia mirandrana avokoa ny vehivavy ao an-trano: difisesy (misesy midina) na randra-madinika ary isa tsy ankasa kosa ny fitondrana azy.
Mihavery ny taovolo malagasy
Ankehitriny, efa niova ny tontolo noho ny tambajotra. Samy manolotra fomba amam-panao maro karazana. Fahiny ohatra, tsy mba nihety izany ny lehilahy fa lava volo, niova izany taty aoriana ka samy nibory volo avy izy ireny. Nety tamin’ny Malagasy tamin’izany ny nihety iavahany amin’ny vehivavy. Notoherina anefa izany ka taty aoriana ny lehilahy indray no lava volo (rastà) fa ny vehivavy no fohy volo, izay tondroina fa ratsy fitondran-tena. Araka ny fandrosoan’ny fotoana no androsoan’ny fomba fanao. Vokany, tsy misy izay marimaritra iraisana hoenti-milaza fa izao no taovolo ofisialy.
Na izany aza, mbola ezaka lehibe ny famerenana ny sain’ny olona hankafy ny fihaingon-drazany. Na dia tsy azo fefena aza ny fitsokan’ireny fihaingo tsy fanta-dika ireny, azo atao tsara ny manolotra ny taovolo tena gasy hiditra any amin’ny fifaninanana.
Nanatontosa : Lin