“Alley Hoop 2024” : hampiala voly ny tanora amin’ny basikety

Raikitra indray ny andiany faha-6 amin’ny fifaninanana basikety 3×3 “Alley Hoop”. Fifaninanana hatao ny 2 sy 3 novambra izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Hampiala voly ny tanora amin’ny alalan’ny basikety ny tanjona amin’ity “Alley Hoop 2024” ity, araka ny nambaran’ny filoha tale jeneralin’ny RDJ, Rasolojaona Tahiana, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika, omaly, teny amin’ny Orange Digital Center Soarano. Mitovy tanjona amin’ny RDJ, amin’izany, ny Orange sy ny Star (XXL) ka nanaiky hanohana ny “Alley Hoop” andiany faha-6. Etsy ankilany, miara-misalahy tanteraka amin’ny RDJ ny Federasiona malagasin’ny basikety, indrindra mahakasika ny “Tournoi Alley Hoop”. Araka izany, ekipa 96 izay mi­tsinjara sokajy 3 (U17 lahy sy vavy, U23 lahy sy vavy, élite lahy sy vavy) no andrasana. Hitiliana izay mpilalao hiatrika ny “Africa Cup 3×3”, hanomboka ny 28 novambra izao, ity fifaninanana «Alley Hoop» ity, ho an’ny sokajy élites. Hampiavaka azy koa ny fampiasana ireo fitaovana teknika rehetra ho an’ny basikety 3×3, toy ny “Compte play fiba” ho an’ny mpilalao, ny “écran” lehibe fampisehoana ny isa, ny fandraketana ny lalao, sy ny maro hafa. Tsiahivina, misokatra anio 16 oktobra ny fisoratana anarana izay azo atao eny amin’ny RDJ Analakely. Hotoloran’ny mpikarakara vola 500 000ar ny mpandresy ho an’ny sokajy U23 sy U17. Ny federasiona kosa no hanome ny loka ho an’ny élites ary hanolotra tapakila maimaimpoana ho an’ireo mpandresy amin’ny sokajy 3, mandritra ny “Africa Cup 3×3” hatao eto Madagasikara.
Marihina, hisy ihany koa ny hetsika hafa, toy ny “Live Artiste”, “Show Lu­mi­è­re”, “Effets Spéciaux” ary fifaninanana isan-karazany.

Mi.Raz

Partager sur: