Aretina mirongatra amin’ny vanim-potoana mafana ny tazomoka na “paludisme”. Aretina mahafaty haingana, indrindra ho an’ireo marefo sy ny zaza latsaky ny dimy taona izy io, raha sanatria ka
tsy voatsabo ara-dalàna.
Vanim-potoana mafana ny tena mampirongatra ny aretina tazomoka. Anisan’ny firenena tena iharan’ity aretina ity i Madagasikara satria ambony ny taha mahakasika izany eto amin’ny firenena, rah any antontanisa. Nihoatra ny fe-potoan’ny valanaretina nasionaly ny isan’ny tranga tazomoka teto amin’ny firenena, ny taona 2023, raha ny nambaran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nahatratra hatramin’ny 2,8 tapitrisa ny tranga ary 400 tamin’ izy ireo no maty, ny taona 2023 io ihany. Raha toa ka nanodidina ny 1,7 tapitrisa kosa ny tranga ho an’ny taona 2022. Teo anelanelan’ny janoary hatramin’ny jona 2022, 543 994 ny trangan’ny tazomoka ary 68 ireo olona maty, raha ny tatitry ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana. Maherin’ny 5 hetsy kosa ireo olona nararin’ ny tazomoka tamin’ny taona 2020. Anisan’ ny tena atahorana ny fihitarany, indrindra ho an’ireo olona marefo sy ny zaza latsaky ny dimy taona. Mahatratra 7,5% amin’ny zaza latsaky ny dimy taona ny tena natahorana ny fitrangan’ny aretina tazomoka, raha ny tombana navoakan’ny USAID. Mahatratra hatramin’ny 40% ny tahan’ny olona voan’ny tazomoka tao anatin’ny 8 taona, raha ny antontanisa avy amin’ ny Institut Pasteur. Anisan’ny tena miaina izany ny any amin’ ny disitrikan’Ikongo, noho ny fisian’ny moka mpamindra tazo sy ny tsy fanjarian-tsakafo any an-toerana, raha ny nambaran’ny Médecins Sans Frontières.
Aretina azo avy amin’ny
kaikitry ny mokavavy
Aretina azo avy amin’ny kaikitry ny mokavavy antsoina hoe « anophèle femelle » ny tazomoka. Rehefa avy nanaikitra olona mararin’ny tazomoka io moka io dia mitondra ny otrikaretina antsoina hoe
« plasmodium ». Mamindra ny aretina amin’ny olona iray hafa salama tsara avy eo, amin’ny alalan’ny kaikitra ihany. Aretina mitarika any amin’ny fahafatesana ny tazomoka raha toa ka tsy voatsabo haingana sy ara-dalàna.
Miseho amin’ny endriny maro
Maro ny fomba fisehony eo amin’ny olona iray voan’ny aretina. Anisan’izany, ny aretinan-doha, miakatra ny hafanana, maloiloy, mitady hanavy, mangovitra, rera-dava, mivalana sy ny maro hafa. Miseho eo anelanelan’ny herinandro voalohany taorian’ny kaikitry ny mokavavy ny fisehon’ny aretina eo amin’ny olona tratry ny aretina. Mety hahatratra herintaona kosa anefa izany vao miseho, arakaraka ny hery fiarovan’ilay olona.
Ilaina ny fanadiovana ny manodidina
Fitandremana tokony hatao, ilaina ny manadio ny manodidina, amin’ny alalan’ny fanesorana ny lobolobo sy ny rano miandrona. Hamafisina ihany koa ny hery fiarovana ao anatin’ny vatana. Tokony hampiasa lay misy odimoka isan-tokantrano mandavan-taona mba tsy hahafahan’ny moka miditra. Tsy adinoina ihany koa ny mampiasa ody moka sy lay, indrindra rehefa matory. Efa misy ihany koa ankehitriny ireo fanafody afaka misoroka ny tazo na ho an’ny ankizy na ho an’ny lehibe. Noho izany, mila manatona toeram-pitsaboana avy hatrany raha misy soritraretina manambara tazo mandritra ny dia any amin’ny faritra na volana vitsy ao aorian’ny fandehanana.
Mivadika tazo mahery vaika
Raha toa ka tsy voatsabo ara-potoana ny tazomoka, mety hivadika ho tazo mahery sy fahasarotana ara-pahasalamana. Mety hitarika any amin’ny tsy fahatsiarovan-tena, mifanintona, sempotra ary ny insuffisance rénale. Mety hitarika hatrany amin’ny fahafatesana mihitsy aza raha tena mihombo sy tsy voatsabo ara-dalàna, anatin’ny 24 ora. Tokony hanatona tobim-pahasalamana avy hatrany ny olona iray raha vao misy tranga hafahafa miseho amin’ny vatana, mba hamantarana ny aretina sy hahafahana mitsabo ny aretina tsy hivadika zavatra hafa.
Nanatontosa : Mino