Efa mivaha tsikelikely iny ny olan’ny rano. Efa nihena ny mantsimantsina eny ankalamanjana sy ny any anaty fiara fitateram-bahoaka. Efa mba azo iainana ny toerana vory vahoaka. Tsy mahamenatra ny milaza fa nisy fotoana teo aloha tena tsy nahataitra ny mponin’Antananarivo ny fofon-trondromaina, raiki-tapisaka tamin’ny vatan’olombelona. Zary natao fihomehezana aza ny havoretrana, iraisan’ny mpamatsy rano tsikombakomba amin’ny ankasomparan’ny natiora.
Azo tsapain-tanana ny fiovana, saingy mbola olana hafa ny jiro. Tsy ampy ny hazavana amin’ny sakelin-tanàna maro. Manginy fotsiny ny tsy fisian’ny angovo na ny hipasohana aza ho an’ny aty an-tanàn-dehibe. Niaka-bidy tampoka tao ny vidim-pera fipasohana ampiasana saribao. Miverin-dalana hatrany ilay Malagasy e! Heverina fa hampiroborobo ny angovo maitso, toy ny herin’ny masoandro sy ny angovo azo avy amin’ny rivotra ilay tranga, kanefa mampirisika ny fanimbana tontolo iainana amin’ny arina fandrehitra.
Tsy hita be ihany ny ilazana ny andavanandron’ny Malagasy. Andrasana indray izany ny vahaolana « mahagaga » avy amin’ny filohan’ny repoblika. Izay voatery miditra an-tsehatra hatrany amin’ny olana sosialy mianjady amin’ilay Malagasy. Tena tsy afa-bela ny tenany, angady tsy mahatapak’ahitra ny ankamaroan’ny nomena an-draikitra. Tsy azo hodian-tsy hita koa anefa ny tsy afa-manoatra. Tratry ny kendaroroky ny « mafia ».
Tsy tokony hijanona amin’ny fivorivoriana eny an-dapa intsony ny toe-javamisy iainan’ny Malagasy madinika. Tafahoatra ny fahoriana, indrindra ho an’ireo miasa tena. Manohina ny fo ny mahita ny mpanao volo, mitady asa na dia hamafa tranon’olona aza. Marina, tokony ho nitsinjo vodiandro ho merika amin’ny fividianana « groupe » izy ireny. Kanefa ny vola hividianana izany koa aza mbola olana hafa.
r.r