Tohin’ny tetikasa « Haraton’Aina »: tafakatra 87 ireo distrika hisitraka ny fiahiana ny mpiara-belona

Miditra amin’ny andiany faharoa ny tetikasa “Haraton’Aina” ka nitombo ireo distrika hisitraka izany. Hampahaleo tena ara-pivelomana ireo ankohonana tena latsaka lalina anaty fahantrana no ezaka ao anatin’ireo fandaharanasa marolafy.

Mifarana amin’ny faran’ ny volana oktobra izao ny tetikasa “Haraton’ Aina”, andiany voalohany izay naharitra 8 taona (2016-2024). Hanomboka eto indray ny tetikasa “Haraton’Aina”, andiany faharoa izay hiahy ny mpiara-belona ao anatin’ny 3 taona (2024-2027).
Tetikasan’ny fanjakana vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola mitentina 250 dolara arindran’ny minisiteran’ny Mponina ary tanterahin’ny Fid ny tetikasa. Hatao any amin’ny distrika 87, ao anatin’ny faritra 22, ny tetikasa manomboka eto raha tamin’ny distrika 47 ihany teo aloha.
Hiompana bebe kokoa amin’ny tantsaha ny karazana tohana amin’ity andiany faharoa ity, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny fiahiana so­sialy, Rivomanana Ghisbert. Hahazo tombony ihany koa ireo vehivavy.
Hifantoka amin’ny tantsoroka fampivoarana ihany koa ny tetikasa amin’izao tohiny izao mba hitondra fiovam-pihetsika miabo eo amin’ireo ankohonana hisitraka ny tohana. Hanana fiovam-piainana tsara kokoa ary hatanjaka ireo fianakaviana miatrika ny tranga izay miseho. Ho tena lasa fihariana mahavelona tsy hi­ankindoha intsony ireo mpisitraka fa tena hahaleo tena ara-pivelomana tanteraka.
Sokajiana ho mahantra ny 72% ny mponina eto Mada­gasikara. 56% kosa no tena latsaka anaty fahantrana. Ny 32% ireo tena fadiranovana ireo no mbola voakasiky ny tetikasan’ny fanjakana ao anatin’ity “Haraton’Aina” ity.
Hitohy ireo fandaharanasa maro ao anatin’ny tetikasa izay ahitana ny vatsin’Anko­ho­nana na Fiavota. Tanjona ny hahafahan’ny olona misitraka tohana ara-bola hivelomany. Eo koa ny Asa Avotra Mirindra arahana fiofanana sy tohana ara-teknika ho an’ny fihariana eny ambanivohitra. Ankoatra ireo, ny Asa Vonjy Voina izay tohana ara-bola tsy misy fepetra ho fanarenana aorian’ny fandalovan’ny loza mitranga.

Tatiana A

Partager sur: