Maro ny Malagasy mandranto fianarana mahakasika ny asan’ny mpandika teny. Ankoatra ny teny anglisy, maro no liana amin’ny teny sinoa “mandarin”.
Tena efa anisan’ny be mpampiasa indrindra maneran-tany ny teny sinoa na “mandarin” aorian’ny teny anglisy. Mampiasa io ho fiteny ofisialy ny 67% na 715 tapitrisan’ny mponina mipetraka any amin’ny firenena Avaratra Antsinanana, raha ny nambaran’ny Repoblika entim-bahoakan’i Chine. Manomboka miroborobo ny fianarana izany eto Madagasikara. Mahaliana tanora sy olon-dehibe maro ny fianarana teny sinoa, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny toeram-piofanana tsy miankina iray, ILCM etsy Anosibe, Randrianarisoa Michaella. Maro ny ivon-toerana fampiofanana izany eto amin’ny Nosy. Anisan’ny manana ny anjara toerana lehibe ny eny amin’ny ivon-toerana Conficius, eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Misy ny toerana tsy miankina maro, miparitaka amin’ny sakelin-tanàna maro eto an-dRenivohitra.
Voasarika kokoa ny vehivavy raha oharina amin’ny lehilahy. Manodidina ny 60 isa ny mpianatra mandalina izany tao anatin’ny enim-bolana tao amin’ity sekoly iray ity manokana. Maro ny antony mahatonga ny Malagasy hianatra io fiteny iray io. « Efa manomboka malaza ny fiteny sinoa ankehitriny, efa betsaka ireo olona mampiasa io fiteny io maneran-tany ka antony mandrisika ny Malagasy hianatra izany», hoy hatrany ity tomponandraikitra iray ity. Ankoatra izay, maro amin’ireo sinoa tonga eto Madagasikara no tsy mahafehy ny teny malagasy ka mitady mpandika teny. “Moramora kokoa ny fahitana asa ho an’ny olona iray rehefa mahafehy ny fiteny sinoa, anisan’izany ny asa mpandika teny”, hoy hatrany izy. Nambarany fa efa manomboka tsikelikely ao anatin’ny fepetra takin’ny orinasa sasany eto an-toerana ho an’ ireo mitady asa ihany koa izy io. Antony iray hafa mahasarika ny Malagasy maro koa ny serasera ara-barotra mandeha maka entana any amin’ny firenena Chine.
Tombontsoa maro
Maro ny tombontsoa sy hirika fanararaotra azo avy amin’ny fandratoana ny teny sinoa. Manatsara sy manatevina ny mombamomba ny tena ho an’ny tanora mitady asa izany. Ahitana asa amin’ny sehatry ny fitenena sinoa ihany koa. Anisan’ny asa azon’ny olona iray mahafehy io fiteny io ny asa fandikana teny sy ny fampianarana. Indrindra ny eny anivon’ny orinasa tantanana teratany sinoa eto Madagasikara sy any ivelany. Mbola vitsy ireo sinoa mahay sy mahafehy ny fiteny malagasy ka antony mahatonga ireo tanora maro hianatra izany.
Manan-danja
Maharitra enim-bolana ny fe-potoana hianarana ny fiteny sinoa eny anivon’ny ivon-toerana manofana ho amin’izany. Mahafehy ny fomba fanoratana sy famakiana ary ny firesahana ny fiainana andavanandro ny mpiofana. Misy ny mari-pahaizana azon’ireo mpianatra aorian’ny fahavitan’ny fianarana. Ankoatra izay, misy ny mari-pahaizana iraisam-pirenena antsoina hoe: “HSK” ho an’ireo mpianatra miatrika ny fanadinana iraisam-pirenena momba ny fiteny sinoa. Manampy betsaka amin’ny fitadiavana asa eto an-toerana sy any ivelany ary manampy amin’ny fahazahoana vatsim-pianarana ihany koa ny fahaizana ny teny vahiny.
Fiteny sarotra ianarana
Azo lazaina ho fiteny anisan’ny sarotra ianarana ny fiteny sinoa, indrindra eo amin’ny lantom-peo, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra hatrany. Manampy izany koa ny fomba fanoratana azy, izay tsy misy hifandraisany amin’ny fiteny gasy, na fiteny hafa toy ny frantsay na anglisy. Tsy mahasakana ny Malagasy maro hianatra anefa izany fa vao mainka aza mandrisika azy ireo.
Miara-miasa
Laharana voalohany matanjaka indrindra amin’ny lafiny ara-toekarena maneran-tany ny firenena amerikanina. Faharoa manaraka azy i Chine. Fahatelo i Japon ary fahefatra manaraka azy i Allemagne. Anisan’ny miara-miasa amin’ny lafin-javatra maro i Madagasikara sy i Chine. Anisan’izany, ny lafiny ara-ekonomika sy ara-barotra. Teo koa ny lafiny fiaraha-miasa niady tamin’ny valanaretina Covid-19 teto amin’ny Nosy sy ny maro hafa. Indrindra ny fanampiana ara-pitsaboana nandritra izany fotoana izany. Tanjona ny hahafahana mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena malagasy sy hahasambatra ny mponina ao aminy.
Nanatontosa : Mino