Nanamarika ny Andro iraisam-pirenena momba ny tsara ho fantatra eo amin’ny fampandrosoana ny oniversite Iserp etsy Maibahoaka, omaly. Tafiditra ao anatin’ny iray volan’ ny fampandrosoana lovainjafy ihany koa ny hetsika.
Andiana famelabelaran-kevitra niompana amin’ny sehatry ny fampandrosoana marolafy no natao tamin’izany. Voaresaka ny mahakasika ny fampianarana sy ny teknolojia, ny fifandraisana amin’ny any ivelany ary ny toekarena sy ny fampianarana. Teo koa ny mahakasika ny fitantanan-draharaham-panjakana…
Fifampizarana traikefa nentin’ireo manam-pahaizana sy mpikaroka momba ny fampandrosoana lovainjafy no natao tamin’izany.
Zava-dehibe ny fanehoan-kevitr’ireo efa samy matihanina sy mahafehy ny sehatrasa maro mahakasika ny paikadim-pampandrosoana.
Ankoatra ny paikadim-pampandrosoana, novoizina koa ny fomba fisaina sy ny fihevitra ary ny toe-tsaina sy fomba fijery tokony hananana, mba hisian’ny tena fampandrosoana mangaraharaha sy maharitra.
Nandray anjara tamin’ny fizarana ny fahaiza-manao ireo avy amin’ny DHEA misy ireo efa voky traikefa nivoaka teny amin’ny Enam.
Teo ny filohan’ny fikambanana DHEA, Ramanantsoa Andriamahafaly Rado, ny talen’ ny Iserp, Andriamisandratsoa Herizo, ary ny administrateur civil, Raholinarivo Paolo Emilio.
Tatiana A