Ady amin’ny fanararaotana mamoafady: Arifomba ny fitaovana ampiasain’ny polisy

Nanolotra fitaovana ho an’ny sampandraharaha miady amin’ny heloka ana habaka ny masoivoho amerikanina, ny alakamisy teo. Enti­na hanamafisana ny ezaka hiadiana amin’ny fanararaotana ma­moafady atao amin’ny ankizy amin’ny internet ny fitaovana. Miendri­ka famarinan’olona izany ary heloka ana habaka izay miha mivoatra hatrany.
“Amin’izao vanim-potoana niomerika izao, tsy eo amin’ny fiarahamonina misy antsika ihany no itrangan’ny heloka bevava, fa any amin’ny internet ihany koa. Noho izany, tsy maintsy manana fahaiza-manao sy ny fitaovana ilaina amin’izany sehatra izany ihany koa isika”, hoy ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo.
Ireo solosaina sy fitaovana fanaraha-maso ary fitaovana fitsirihana manokana natolotra dia entina ha­nampiana ireo Malagasy mpanao famotorana hanao fanadihadiana lalina momba ny trangana famarinan’olona, indrindra fa ireo fanararaotana ara-nofo atao amin’ny ankizy amin’ny internet.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa maharitra roa taona, izay mitentina 2 tapitrisa dolara, ary vatsian’ny Departemantam-panjakana amerikana vola ny fitaovana natolotra. Ny UNODC no manatanteraka ny tetikasa, miaraka amin’ny mpitandro fila­minana malagasy.

Tatiana A

Partager sur: