Anisan’ny firenena ahitana betsaka ny aretina bilarziozy i Madagasikara. Aretina azo avy amin’ny kankana any anaty rano izy io. Mety hahatonga fahasarotana maro eo amin’ny olona iray ary mety hahafaty mihitsy izany raha tsy voatsabo ara-dalàna.
Firenena iray anisan’ny ahitana tranga betsaka amin’ny aretina bilarziozy eto Madagasikara. Ahitana izany any amin’ireo distrika 107 amin’ny 119 eto amin’ny Nosy. “Distrika 46 no tena ahitana olona maro miaina miaraka amin’io aretina io”, araka ny tatitra voaray avy amin’ny profesora Rakotoarivelo Rivo, avy eo anivon’ny Faculté de médecine, Oniversiten’i Fianarantsoa, raha nanaovana fanadihadiana.
Misy karazany roa ny bilarziozy eto Madagasikara. Eo ny bilarziozy any amin’ny taovam-pivalanana (bilharziose urinaire) sy ny bilarziozy any amin’ny taovam-pisakafoana na fandevonan-kanina (bilharziose intestinale). Manjaka sy tena mirongatra any amin’ny tapany avaratry ny Nosy ny bilarziozy manafika any amin’ ny taovam-pamaniana, raha ny fanazavana voaray hatrany. Betsaka eto afovoantany sy any amin’ny faritra atsimo atsinanan’i Madagasikara kosa ny bilarziozy manafika any amin’ ny taovam-pisakafoana na fandevonan-kanina (bilharziose intestinale).
Aretina azo avy
amin’ny rano
Aretina azo avy amin’ny katsentsitra na kankana, miditra amin’ny alalan’ny masonkoditry ny olona iray ny aretina bilarziozy. “Aretina azo avy amin’ny fifampikasohana amin’ ny rano madio misy io katsentsitra io, toy ny renirano, farihy, dobo, rano eny an-tanimbary. Tsy voakasik’izany kosa ny rano mihandrona eny an-tokotany rehefa avy ny orana”, hoy hatrany ny fanazavan’ny profesora Rakotoarivelo Rivo. Rehefa miditra ao amin’ny hoditry ny olona ny kankana, aorian’ny firobohana na filomana rano maharitra. Miseho ny fambaran’aretina eo amin’ ilay olona afaka 10 na 15 andro eo arakaraka ny hery fiarovana ao aminy. Mamany sy mikaka ra ihany no iheveran’ny olona fa voan’ny aretina bilarziozy ny olona iray. Maro ny fambara: mangidihidy ny hoditra, ton-gotra; marary kibo, mikohaka mitarazoka, mivalana, mihalehibe ny aty sy ny sarakaty, mamany na mikaka ra. Mety hahafaty ny bilarziozy rehefa tsy voatsabo ara-dalàna.
Fampiasana rano madio sy lavapiringa
Misy ady tokony hatao ho amin’ny aretina bilarziozy ankoatra ny fizarana fanafody faobe, mba hampihenana ireo tranga misy eto amin’ny Nosy. Nambarany hatrany fa anisan’ ny ady atao amin’izany ny tsy fangerena ankalamanjana. Nambaran’ny Dr Domoina, mpitsabo iray nanontaniana kosa fa tsy azo atao ny mampiasa na mamadika ny tain’ olombelona ho zezika satria manaparitaka io katsentsitra mahatonga ny bilarziozy io izany. Ankoatra izay, ilaina ny fanentanana sy ny fampirisihana ny olon-drehetra hampiasa rano madio, toy ny tsy fandroana eny amin’ny rano misy katsentsitra. Tsy fangerena ankalamanjana, indrindra eny akaiky rano mandeha satria misy mampiasa izy ireny. Mba ho fitsinjovana ny hafa sy tsy hanaparitahana ny aretina eto amin’ny Nosy no anton’izany.
Mahatonga tsy fahazoana zaza
Anisan’ny mety hitarika fahasarotana maro eo amin’ny olona iray io aretina io raha tsy voatsabo ara-dalàna. Anisan’ izany ny fahasimban’ny aty sy ny sarakaty, izay mety hitarika fisian’ny rano any amin’ny kibo, mandeha ra ny vavony sy ny lalan-kanina. Mety hitarika any amin’ny fahafatesana izany. Ho an’ny bilarziozy mahazo any amin’ny taovam-pananahana sy ny taovam-pamaniana kosa, mety hitarika any amin’ny tsy fahazoana zaza, fahamombana na zaza an-tsosokoditra izany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Amin’ny ankapobeny, ho an’ny zaza sy ho an’ny reny, hitarika any amin’ny tsy fahampian-dra, tsy fitomboana ara-tsaina na ara-batana ara-dalàna ho an’ny zaza ihany koa, raha toa ka tsy mahazo fitsaboana maharitra ny zaza na ny reny bevohoka. « Mety ho afa-jaza na mety hahafaty ny zaza ao an-kibo eo amin’ny reny bevohoka ny aretina bilarziozy, rehefa tsy voatsabo ara-dalàna » hoy kosa ny rasazy iray nanontaniana. Nambarany fa mora azon’ny loto ny fivaviana, indrindra rehefa mampiasa rano tsy madio. Mety ho antony mahatonga ny aretina sy mampangidihidy ny fisian’io kankana io amin’ny rano hisasana.
Indray mandeha ny fihinanana fanafody ho an’ny marary
“Azo tsaboina tsara ny bilarziozy, hatramin’izao mbola mandaitra tsara ny fanafody natao hitsaboana izany”, hoy hatrany ny profesora Rakotoarivelo Rivo. Hohanina indray andro sy indray mandeha ihany izy io fa arakaraka ny lanjan’ ny olona ny mampitombo ny isan’ny fanafody hohanin’ny marary iray voatily sy voamarina fa mararin’io aretina io. Miverina isan-taona kosa ny fihinana ny fanafody rehefa amin’ ny fotoana fizarana fanafody faobe, mety ho mandritra ny dimy na telo taona eo izany. Toy ny fanomezana fanafody faobe atao amin’ny mpianatra sy ho an’ny olon-dehibe izany.
Nanatontosa : Mino