Harena voajanahary : hamafisina ny ady amin’ny fitrandrahana sy ny fanondranana

Hamafisina ny ady amin’ny fitrandrahana sy ny fanondranana harena an-kibon’ny tany ho an’i Madagasikara. Nisitraka fampiofanana manokana ireo mpisehatra amin’izany.

Natolotry ny Bianco ho an’ ireo mpampiofana mpikaroka fandikan-dalàna ao amin’ny isan-tsokajiny ny takelaka fanamarihana fahafahana mampiofana ny votoatim-pampianarana momba ny ady amin’ny kolikoly, tetsy Anosy, ny zoma 25 oktobra lasa teo. Samy nisitraka io takelaka io avokoa ny avy eo anivon’ny sekoly nasionaly mampiofana ho teknisian’ny ala (CNFTF), ny eo anivon’ny polisim-pirenena sy ny zandarimaria. Anisan’ny andraikitra nankinina tamin’ny Bianco, amin’ny alalan’ny fanabea­zana, ny manome tohana ara-teknika ireo sekoly mpanofana ho mpiasam-panjakana amin’ ny fampidirana ao amin’ny fandaharam-pianarana ny lohahevitra “Ady amin’ny Kolikoly”. Nisitraka fampiofanana, araka izany, ireo mpampiofana. Anatin’ny tetikasa “Ady amin’ ny kolikoly sy fanondranana harena voajanahary” izay va­tsian’ny USAID ity tetikasa ity. Tanjona ny hahamatihanina tanteraka amin’ny fikarohana fandikan-dalàna eo amin’io sehatra io, araka izany, ireo olona voakasika ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: