Boriborintany I, II, III : nampianarina hanatsara ny fihariany ireo vehivavy

Ho fanatsarana ny fiveloman’ireo renim-pianakaviana, nanao ezaka fampiofanana fanatsarana fihariana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Nisitraka fiofanana momba ny fanamboarana ranon-tsavony sy menaka fanorana ireo vehivavy 70 ao amin’ny boriborintany voalohany sy faharoa ary fahatelo.
Niandraiketan’ny ekipan’ny sampandraharaha misahana ny fiaraha-miasa amin’ny miankina sy ny tsy miankina izany. Hitohy ny 9 novambra izao ny fampiofanana ho an’ireo vehivavy sy renim-pianakaviana ao amin’ny boriborintany fahefatra sy fahadimy ary fahenina. Iarahana amin’ny Orange Solidarité sy ny MWA ny fanatanterahana ny fanofanana.
Tanjona ny hisian’ny fahaleovantena ara-pivelomana eo amin’ireo vehivavy, indrindra ireo mananontena miady irery amin’ny famelomana ny ankohonana sy ny fampianaran-janaka. Tsy ho vesatry ny fiarahamonina fa hioitra amin’ny fanamboarana savony sy fitadiavana lalam-barotra ho amin’izany. Ho tonga orinasa madinika hahavelona ankohonana maromaro mihitsy aza rehefa tena mandeha ny fihariana.

Tatiana A

Partager sur: