Fanamboaran-dalana : trano miisa 400 narodana

Dimy taona aty aorian’ny nametrahana ny vato fototry ny lalambe mi­go­dana mivoaka eny amin’ny RN2 Bis, manomboka ny asa. Trano 400 no narodana oma­ly, ilaina ny tany.

Miroso ny fanatanterahana ny vinan’ny Filo­han’ny Repoblika, in­drindra mahakasika ny fanamboaran-dalana! Vao mangiran-dratsy, omaly, feno mpitandro filaminana ny fokontany Dépôt, hatrany amin’ny Cité Canada, ao Toamasina. Niaraka tamin’izy ireo ny fitaovana fandrodanana trano, toy ny bildozera. Tokantrano miisa 400 no noravana. “Ilain’ny fanjakana noho ny soa iombonana ny tany. Efa nisy ny fampilazana mialoha azy ireo”, hoy ny tomponandraikitra teny an-toerana, niangavy ny tsy halaina feo sy sary.
Anarivony ny olona traboina, tsy manana trano hialofana, taorian’ny fandravana. Nilaza izy ireo fa nofitahina. “Voafitaka izahay, mbola tsy nahazo vola fanonerana. Nolazaina anefa fa rehefa tonga eny am-pelatanana ny vola vao miala. Antony, mba misy ny hoenti-miatrika ny fiainana vaovao amin’ny fandoavana hofan-trano sy fividianana tany. Nasaina nanokatra kaonty amin’ny banky izahay kanefa maro no tsy afaka hanao izany, andaniny. Moa izay nanokatra voa roa izao satria tsy mbola misy vola tonga ao, ny hofan’ny kaonty anefa alain’ny banky ihany”, hoy ny fitarainan’ ireo vahoaka marobe manao antso avo any amin’ny Filohan’ny Repoblika.
Marihina fa araka ny lalàna mifehy ny fanonerana ny tany ilain’ny fanjakana amin’ ny fanamboaran-dalana, ho tombontsoan’ny besinimaro, dia tsy maintsy mandeha banky ny vola. Tanjona ny hisian’ny mangarahara sy manamora ny fanaraha-maso. “Efa ela no any an-drenivohitra ny taratasy rehetra ilaina amin’ny fanonerana fa miandry izahay. Misy ny lamina noho ny fiovan’ny zotra lalovan’ny lalana ihany koa”, hoy ny tomponandraikitra iray, nana­ovana fanadihadiana teny an-toerana, omaly. “Miovaova sy arakaraka ny toetoetry ny tany nanaovana fanorenana koa ny fanonerana satria misy ny manana taratasy mazava, misy ny fanorenana tsy manara-penitra. Tsy maintsy mahazo avokoa anefa ny tokantrano tsirairay”, hoy hatrany ny fanazavana

Tsy ampy 10 km

Tsiahivina fa tafiditra amin’ilay lalana migodana mirefy 9 866 kilometatra, efa nametrahana vato fototra ny 7 aprily 2019, ity maha be resaka sy disadisam-piarahamonina ao Toamasina ity. Lalana natokana ho an’ireo kamiaobe mba tsy hivezivezeny ao an-tampon-tanànan’ i Toamasina izy io. Tsy manaraka ny lalambe faharoa Bis na ny Rn2 Bis ny kamiao be fa avy ao amin’ny vavahadiben’ny seranan-tsambo dia mahazo ny lalam-pirenena lehibe mahazatra. Tetikasa voalaza fa hovitaina tamin’ny taona 2021 izy io, kanefa izao izany vao hanomboka.

Nivavaka mba tsy ho ravana

Manoloana ny fandravana trano, nisafidy ny nivavaka tao am-piangonana, mba tsy handravana ny trano fivavahany ny mpino avy ao amin’ny fiangonana zandriny iray. Nanome toky mantsy ny pasiteran’izy ireo fa efa nahavita fifampiraharahana tamin’ny manampahefana isan’ambaratongany. Anisan’ny efa nifampiresahan’izy ireo ny hatrany amin’ny fiadidian’ny Repoblika. Tsy nivaly ny vavaka fa anisan’ny voarodana ny trano fivavahan’izy ireo. Marihina fa anisan’ny hahazo fanonerana, mitentina 800 tapitrisa Ariary izy ireo. Mbola nijanona tao am-piangonana ny mpino, hatramin’ny fotoana efa nandrodanan’ny milina ny tafo sy ny rindrina. Olana ho an’ireto mpivavaka ny tsy fananan’izy ireo trano fonenana. Tsy vitan’ny fiangonana fotsiny ny trano fa fandraisana ny mpino tsy manan-kialofana. Niala ihany izy ireo taorian’izay.
Ankoatra ny mpivavaka, anisan’ny niala maina avokoa ny mponina rehetra. Tsy misy entana azo noraisina. “Tsy nitazona ny teny nomeny ny mpitondra fanjakana”, hoy ny vahoaka. “Miandry sy manantena ny volanay izahay” hoy izy ireo.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: