Iray volan’ny hetra : fanamorana ny fandoavan-ketra, tsy misy sazy ho an’ny taona 2021

Hifarana ny 7 No­vam­bra hoavy izao ny iray volan’ny he­tra natao teto An­ta­na­narivo Renivo­hi­tra. Misy ny fiaraha-miasan’ny Kaomi­nina An­ta­nanarivo Renivohitra sy ny avy ao amin’ny DRI «Administration Fiscale» sy ny «Trésor public» nahafahana nanao izany.

Tanjona amin’ity hetsika iray volan’ny hetran-tra­no ity ny hamerenena ny rehetra ao anatin’ny fahatsiarovan-tena ho olom-pirenena. “Eo koa ny hamaliana sy handravonana ny taraina nisy rehetra mahakasika ny fidangan’ny hetran-trano tamin’ny taona 2021 teny anivon’ny kaominina”, hoy Rakotoarisoa Hanitriniaina, miandraikitra ny fandrindrana ankapobeny ny fanentanana ny iray volan’ny hetran-trano. Ankoatra izay, natao hanitsiana ny tsy fitovian’ny antontan-kevitra sy ny antontanisa eny anivon’ny kaominina sy ny zava-misy eny ifotony ihany koa. Maro ny adidy aman’andraikitra tsy maintsy ankatoavin’ny olona tsirairay manoloana ny fandoavan-ketra. Voalohany, ny fanambaran-ketra mahakasika ny trano hahazoana mamaritra ny hetra tokony haloany izay tanterahina isaky ny faha-15 oktobra amin’ny taona hi­tsahana. Faharoa, ny tsy fa­ne­fan’ny tsirairay ny hetra eny amin’ny toerana iray. Ha­na­mo­rana sy tsy hisian’ny fivezivezen’ny mpandoa hetra ny tena antony nanaovana ity hetsika iray volan’ny hetran-trano ity. Mampiavaka ny hetsika ny fanenan-ketra faobe ho an’ny mpandoa hetra rehetra ho valin’ny fidangan’ny hetra nisy teo aloha.

Misy karazany ny fihenan-ketra
Alohan’ny tompontrano ary aloha isan-taona ny hetran-trano. Raisina amin’ny toerana iray ireo dingana rehetra voatanisa ireo mandritra ity iray volan’ny hetra ity. Raha toa ka natao tamin’ny toerana telo samihafa kosa izany rehefa andavanandro. Tsy nahitam-piovana ny hetran-trano latsaky ny 10 000 Ariary satria efa antonony izany. Tsy voasazy raha tsy voaloa ny hetra nanomboka ny taona 2021 hatramin’ny taona 2024. Ho an’ireo hetra eo anelanelan’ny 10 000 hatramin’ny 100 000 Ariary, tsy mandoa afa-tsy 10 000 Ariary ilay olona. Raha toa ka manodidina ny 100 000 hatramin’ny 200 000 Ariary ny hetran-tranon’ilay olona, tsy mandoa afa-tsy 20 000 Ariary izy ireo. Raha toa ka 200 000 hatramin’ny 3 000 000 Ariary kosa ny hetran-trano tokony ho naloany ao anatin’ny taratasin-ketra. Tsy mandoa afa-tsy 25% ilay olona. Raha toa ka nanana hetra 3 000 000 hatramin’ny 5 000 000 Ariary, tsy mandoa afa-tsy ny 80% ilay tompontrano. Raha toa ka maherin’izay, lasa 90% ihany sisa no aloan’ilay olona ny 2021 sy 2022.

Mety ho voakitika ny fidiram-bolan’ny tsy mpandoa hetra
Misy ny sazy raha tsy mandoa na tsy mahatanteraka iza­ny izy ireo, raha ny fanazavana vo­aray. Mamaritra izany ny «Code général des impôts» sy ny «Code de procédure fiscale». Miroso amin’ny fanenjehana ilay tompontrano avy ha­trany ny kaominina raha mi­sy ny tsy fandoavan-ketra. Maro ny dingana arahina mandritra iza­ny, toy ny fanaovana «avis à tiers de détenteur» (ATD). «Mety ho tonga hatrany amin’ ny mpanofa trano na Banky na amin’ireo toerana fidiram-bo­lan’ilay olona voakasika ny hanefana ny anjara hetrany», hoy hatrany izy. Miezaka anefa ny kaominina tsy hanasazy fa manentana ny rehetra hatrany handoa ny hetran-tranony, indrindra amin’izao iray volan’ny hetra izao. «Tsy vitan’ny mihena ny hetra fa tsy ho voasazy ihany koa ireo tsy nahaloa izany», hoy hatrany ny fanazavana.

1 800 taonina isan’andro ny fako

Voafaritra ao anatin’ny lalàna 2014/018 ny anjaran’ny kaominina manoloana ny hetra. Natao hiditra ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina ny hetra hamatsiana ireo tetikasam-pampandrosoana ny tanàna, toy ny fotodrafitrasa, ny EPP, fananganana cantine scolaire, famatsiana ny fitaovana sy fanafody any amin’ny CSB, fikarakarana ny zaridaina sy ny «espace vert» rehetra, fandraofana sy fanalana ny fako miainga avy any an-tokantrano mankeny amin’ny baka izay iandreketan’ny RF2, anjaran’ny kaominina ny mamatsy ny fitaovana rehetra ampiasana amin’izany, toy ny kifafa, baoty, akanjo sy ny maro hafa. Eo ihany koa ny fanalana ny fako eny amin’ny baka mankany Andralanitra. Amin’izao, mahatratra 1 800 taonina ny fako mivoaka isan’andro eto Antananarivo. Raha tsy misy hetra tsy voataona ny fako. Nandoavana hetra farany ny taona 2020. Noho izany, ezaka natao ny nanalana ny fako na dia nisy mbola tsy voaloa aza ny hetra 2021. Mahavita tsaratsara kokoa amin’ny fandraofana ny fako isika raha miara-mientana. Ho avy izao ny fahavaratra, ho avy ihany koa ny karazam-boankazo rehetra, asa tsy maintsy atrehin’ny kaominina izany. “Entanina ny rehetra handoa ny anjara hetrany mba hahafahana manala ireny fako rehetra ireny ara-dalàna sy hahazoantsika miaina ao anatin’ny tanàna madio”, hoy hatrany ny tomponandraikitra.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: