Mitombo 2,1 % ny fanjifana solika amin’ity taona 2024 ity raha oharina tamin’ny taon-dasa, araka ny tatitra navoakan’ny OMH (Office malgache des hydrocarbures). Be mpanjifa indrindra ny gazoala ary mitombo hatrany ny fampiasana azy. Porofo iray ny fahalotoan’ny tontolo iainana.
Nahatratra 563 167 m3 ny solika lany nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona 2024 ity, raha nihena kely teo aloha. Arakaraka ny vanim-potoana ny mampitombo ny fanjifana, ohatra, mandritra ny fotoam-pialantsasatra. Be mpanjifa indrindra ny gazoala, izay maherin’ny antsasaky ny solika rehetra ny tahany, tao anatin’ny telo taona nifanesy (2022, 2023, 2024), izay nanantombo 12,4 % ny salanisa. Manaraka azy avy eo ny lasantsy (SC) ary ny solika fandrehitra.
Efa hita nitombo ny famatsiana izany raha ampitahana nandritra ny efa-bolana faran’ny taona 2023 sy 2022. Izany hoe, nisy fiakarana ny famatsiana solika eto Madagasikara nanomboka ny taona 2022. Nanomboka niharina kosa ny fanjifana solika ny taona 2023. Tena antony nampihisatra kely ny varotra ny sondrom-bidy farany tamin’ny volana jolay 2022, saingy niverina tsikelikely ihany ny tsena. Manafatra solika isaky ny 32 na 35 andro i Madagasikara hiatrehina ny filana eto an-toerana. Raisina ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina izany ary taterin’ireo mpamongady amin’ny toerana mila izany.
Miankina betsaka amin’ny vidin-tsolika
Nisy fiakarana farany ny vidin-tsolika teto amintsika ny volana jolay 2022. Manodidina ny 44% io fisondrotana io amin’ny karazany rehetra. Voalaza tamin’izany fotoana fa be mpampiasa any ambanivohitra ny solika fandrehitra. Izy io no ambany indrindra ny sondrom-bidy teto amin’ny Nosy. Amin’izao fotoana, mahatratra 4 900 Ar ny iray litatra amin’ny gazoala, raha toa ka 3 400 Ar izany taloha. 5 900 Ar ny lasantsy raha 4 100 Ar teo aloha. 2 430 Ar ny vidin’ny solika fandrehitra raha toa ka 2 140 Ar izany taloha.
Voalazan’ireo mpandraharaha mpivarotra solika fa tokony mbola ho ambony noho io ny vidin’ny solika eto amin’ny Nosy saingy nandefitra izy ireo tamin’ny fifampiresahana tamin’ny fanjakana.Tsy maintsy jerena ihany koa ny lanjam-bola Ariary manoloana ny dolara. Ankoatra izay, nidina ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Manodidina ny 75 sy 80 dolara ny “baryl”, rahefa nahatratra 100 dolara izany tamin’ny taona 2020 sy 2021.
«Tsy tena lafo io vidina solika io fa ny sandam-bola Ariary no maivana», hoy hatrany ireo mpandraharaha. Ireo toby an’ny mpandraharaha koa tsy mivarotra fotsiny amin’izao fa tsy maintsy maka tombony. Marihina ihany koa fa tsy ahitana fifaninanana eo amin’izy ireo, samy mampiasa tarehimarika mitovy amin’ny vidiny antsinjarany. Marihina fa efain’ny mpanjifa avokoa ny vidina solika, ny hetra (TVA) ary ny vola natao hikojakojana ny lalana. Samy mankany amin’ny fanjakana avokoa izany, saingy tsy hita izay tena fikojakojana ny lalana fa vola avy any ivelany izany raha misy.
Miankina betsaka amin’io vidin-tsolika io ny toekarena. Ahafahana mitaratra izany, ohatra, ny fitaterana raha matanjaka na tsia, raha mavesatra ho an’ny mpandeha na tsia.
Maloto ny rivotra eto an-drenivohitra
Tafahoatra ny rivotra maloto eto Antananarivo Renivohitra, tafiditra anatin’ny faritra mena, raha ny famaritan’ny OMS (Organisation mondiale de la santé) azy. Vao mainka manimba ny rivotra iainana sy ny toetr’andro amin’ny ankapobeny izany.
Manantombo avo telo heny araka ny nosoritan’ny OMS ny haloton’ny rivotra eto Antananarivo Renivohitra. Hitombo ny faharatsian’ny rivotra iainana raha tsy misy fepetra raisina. Mahazo vahana ny aretina mahakasika ny taovam-pisefoana eo amin’ireo ankizy sy antitra ary ireo marefo sy mora andairan’ny aretina.
Saika hita eto Antananarivo ny fivangongoan’ny fako, ny tsy fanajan’ny sasany ny fahadiovana, raha ny zava-misy, toy ny fanariana fako anaty tatatra, ny fahamaroan’ny fiara mamoaka setroka maloto. Porofo mandoto ny rivotra koa ny fahabetsahan’ny fanjifana gazoala sy tokantrano mampiasa arina fandrehitra.
Miezaka mampihena ny fiparitahan’ny loto ny tsirairay mba hamahana io olana io. Anisany miantraika amin’ny fahasalamana ihany koa. Manara-maso kosa ny eo anivon’ny fitondram-panjakana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka. Atao mandritra izany ny fanajana ireo fepetra fiarovana ny tontolo iainana, anisan’izany ny fomba fitaterana madio, ny fampiasana ny fiara… Andrasana ary andraisan’ny olom-pirenena rehetra anjara ny mahakasika ny tetikasa lavitr’ezeka.
Nanatontosa : R . Mathieu