Nitondra ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianarivelo Hajo. Notsia-hiviny fa maro ireo nilaza azy ho mafy teto. Tsy refesi-mandidy ary tompon’ny tanàna fa ratsy fiafara avokoa, araka ny nambarany. “Misy tsy mahay mandray lesona mihitsy ny eto amitsika…”, hoy izy. Nanteriny fa mila fandinihana sy fanetren-tena izao fiainam-pirenena izao ary hery afaka manova sy manafoana ny olana tsy voatanisa no ilaina eto. Tsy ny hery fampihorohorohoana ny samy Malagasy, araka ny nambarany.
Nampahatsiahiviny koa fa voararan’ny lalàna ny rafi-panjakana mitanila. “Midika ho tsy fanarahan-dalàn’ilay kandidà ny filazàna ampahibemaso fa kandidàm-panjakana izy”, hoy ihany ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga. Momba ny olana sosialy kosa, noraisiny ho toy ny ekipa amin’ ny baolina kitra izany. Mifantina ny mpilalao ny mpanazatra ary mamaritra ny paikady. Diso tetika sy tsy nahay namaha olana anefa ny mpanazatra rehefa ratsy ny vokatra. Aminy, tsy mitombina ny filazana fa sakantsakana ataon’ny mpilalao ny mahatonga ny olan’ny jiro sy rano. “Ny mpitarika mihitsy anefa no diso paikady. Tsy mila manilika andraikitra ihany koa satria na hanova mpilalao impiry, mitoetra hatrany ny olana rehefa tsy manana paikady ny mpitarika”, hoy ihany izy. Nanteriny fa tena resy tanteraka ilay ekipa Madagasikara noho ny tsy fahaiza-mitantana sy ny rendrarendran’ny mpitarika.
Synèse R.