Mametraka tantara amin’ny taranja Motocross eto Madagasikara sahady i Leung Yen Sincere sy Rakotoarimanana Jeremy. Vao 15 taona monja dia efa nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana «Motocross of African Nation (Mxo AN )”. Mizara ny traikefany izy ireo. Fanadihadiana !
Nahazo vokatra tsara ny Malagasy mpanamory nandritra ny fifanintsanana “Motocross of African Nation-MxoAN” natao tany Maroc, ny 25 hatramin’ny 27 oktobra lasa teo. Nandrombaka ny amboara tamin’izany i Leung Yen Sincere sy Rakotoarimanana Jeremy. Nahazo ny laharana voalohany tamin’ny lalao isan-tarika, sokajy 125 cc izy ireo. Nisy ny fifampizarana nifanaovany tamin’ny gazety Taratra, omaly. Tanjona ny mba hisarihana ny tanora tahaka azy ireo, hanonofy sy hametraka tanjona amin’ny fiainana.
Nilaza izy mirahalahy fa efa tao anatin’izy ireo ilay hilalao Motocross matihanina. Efa tanatin’ny drafi-piainan’izy ireo ny ho lasa lavitra amin’izany. Vokany, vao 15 taona monja izy ireo, efa misongadina sahady eo amin’ny sehatra afrikanina.
Raha ho an’i Jeremy manokana, niainga tamin’ny fahitany ny zokiny nilalao ity taranja ity ny fitiavana izany. Tsapany fa tena ankafiziny ny fitaingenana Motocross. Tia milalao basikety izy, saingy fialamboliny fotsiny. Mbola mianatra eny amin’ny Lycée i Jeremy. Intelo isaky ny herinandro izy no manao fanazaran-tena: alarobia sy sabotsy ary alahady.
“Tsy tokony hasiana tsindry be ilay milalao moto. Lalaovina toy ny kilalao rehetra ihany. Raha tiana ny hahazo fahombiazana, ilaina ny mametraka fitsipi-pifehezana amin’ny tena, indrindra eo amin’ny fanomanana ny zavatra iray», hoy Rakotoarimanana Jeremy.
Moto kilalao
Ho an’i Leung Yen Sincere indray, hatramin’izy mbola zaza no tia moto. Notsiahiviny fa nividianan’ny rainy motokely nolalaovina izy. Tena tiany ilay kilalao ka nahatonga ny rainy hanohana azy tamin’io taranja io. Ankoatra ny Motocross, milalao baolina kitra sy volley miaraka amin’ny namany no tena fialamboliny.
Mbola mpianatra eny amin’ny Lycée koa ity Malagasy mpanamory moto ity. Manao fanazarantena indroa isan-kerinandro izy. Niatrika fiofanana tany France izy nialoha ilay fifaninanana nataony tany Maroc. Anisan’ny tombony nahazoana ny fandresena ny fangalana traikefa tany ivelany, araka ny fifampizarana nataony.
« Ilaina ny mankafy ilay taranja vao misongadina tanteraka amin’izany ianao. Tsy azo atao ny mora kivy. Milofosa isan’andro dia hitango vokatra tsara amin’ny zavatra rehetra ataonao», hoy i Sincere raha nanipy teny ho an’ireo tanora mitovy aminy.
Firaisankina no hery!
Singa iray nahafahan’izy ireo nahazo ny medaly volamena, nandritra ny “MxoAN”, tany Maroc, ny volana oktobra lasa teo iny, ny fahaizan’izy mirahalahy miara-miady tamin’ny fifanintsanana, raha ny nambaran’i Jeremy. Nambarany fa ny mpanamory avy ao Afrika Atsimo no tena mpifanandrina mafy indrindra tamin’izy roalahy. Nanome ny tsara indrindra izahay ka nahita fahombiazana. « Lesoka ho an’i Madagasikara ny tsy fahatongavan’ireo namana izay sangany amin’ity taranja ity », hoy ihany i Jeremy.
Manohana ny federasionina
Tsy mitazam-potsiny ireo taniketsa eo amin’ny taranja motocross ny federasionina malagasin’ny Moto (FMaM). Nanamafy rahateo ny tomponandraikitra fa zava-dehibe ho an’i Madagasikara ny fandresena azon’i Sincere sy i Jeremy. Hiezaka hatrany izy ireo ny hampitombo ny solontenan’i Madagasikara amin’ny fifanintsanana “MxoAN”. Ampahatsiahivina fa niakatra ho 10 ny Malagasy mpilalao tamin’ity lalao afrikanina ity raha valo izany tamin’ny taon-dasa. Ankoatra ny 125 cc, nandray anjara tamin’ireo sokajin-dalao hafa koa i Madagasikara, toy ny 65 cc, ny 85 cc, ny MX2 255 cc.
Manana fikasana ny hampiantrano ny “MxoAN”, amin’ny taona 2026 na 2027, ny Federasiona FMaM amin’izao fotoana izao. Manao antso avo amin’ny fanjakana izy ireo noho izany mba hanampy sy hanohana amin’ny fanomanana. Goavana ny fanamby ka mitaky asa maro arak any fanazavan’ny eo anivon’ny FMaM. Anisan’izany ny toerana malalaka ahafahan’ny mpifanintsana mihodina tsara mandritra ny fifaninanana.
Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fandraisana ny « MxoAN”. Sady hampitombo ny lanjan’ny fizahantany eto an-toerana izany no hampiakatra ny toekarena malagasy, raha ny hevitr’izy ireo.
Nanatontosa : Fitia Randria