Mbola misedra olana manoloana ny hakelin’ny karama sy ny fahatapahan’ny jiro sy rano matetika ny mpiasa malagasy. Miantso ny filoham-pirenena sy ny governemanta ny Komity iombonan’ny mpiasa malagasy sy ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa isan-tsokajiny ny hijerena sy hamahana izany olana izany, raha ny fanambarana nataon’izy ireo.
Marary ny tontolon’ny asa eto Madagasikara satria mahantra ny mpiasa malagasy, raha ny fanambarana nataon’ny Komity iombonan’ny mpiasa malagasy (Kimm) tetsy Faravohitra, ny alakamisy lasa teo. “Miha maizina ny hoavin’ny mpiasa malagasy noho ny tsy fahaiza-mitantana”, hoy ny filohan’ny Kimm, ny Dr Randriamaholison Jules. Tsy misy vahaolana hanamaivanana sy hanalefahana ny fahantran’ny mpiasa malagasy, toy ny fampidinana ny vidim-piainana sy fampiakarana ny karama farany ambany ho 1 000 000 Ariary, araka ny nambaran’izy ireo hatrany. Variana any amin’ny zavatra hafa ny firenena, hoy izy ireo, toy ny fampiakarana 20% ny solika ampiasain’ny orinasa lehibe. Mety hitarika fikatonan’ny orinasa sy hampamaro ny tsy an’asa eto amin’ny Nosy izany raha tsy mitandrina. Manaraka izany, ny fikasana hampiakatra 25% ny IRSA. Nambaran’izy ireo fa tokony hanana paikady hampidiram-bola miainga avy amin’ny harena voajanahary misy sy ananan’i Madagasikara ny fanjakana mba hamahana ny olana misy eto amin’ny Nosy.
Tokony ho 1 000 000 Ariary ny karama farany ambany
Mangataka ny filoham-pirenena ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa mba hijery ireo olana maro mianjady amin’ny mpiasa eto Madagasikara. Nangatahin’ izy ireo amin’izany ny tokony hampiakarana ny karama farany ambany ho 1 000 000 Ariary. “Manoloana ny fisondrotry ny vidim-piainana ankehitriny, tsy ampy ny vahoaka malagasy intsony ny karamany”, hoy Rahanirina Charline, avy amin’ny fikambanan’ny olom-pirenena mpiaro ny zon’ny mpanjifa, teny an-toerana. Ankoatra izay, nasian’izy ireo resaka ihany koa ny mahakasika ny fampiakarana ny fisotroan-dronono 25% ho an’ireo be antitra. Nolazain’izy ireo fa maro ny mpandray fisotroan-dronono no tonga mitaraina eny amin’ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny tokony hampitoviana ny fampiakarana ho an’ireo be antitra rehetra eto amin’ny Nosy sy ny olana maro samihafa.
Mampihodina ny toekarena ny mpiasa malagasy
Mampihodina ny toekaren’ny firenena malagasy ny mpiasa mivelona amin’ny alalan’ny fampiasana ny Jirama. Marobe ireo olona mivelona sy miasa tena amin’ny alalan’ny herinaratra, toy ny mpanety, ny mpanao soudure sy ny maro hafa. Misy fiantraikany betsaka amin’ny isan-tokantrano ny karaman’ny mpiasa tapaka noho ny fahatapahan’ ny jiron ny Jirama. “Tsy afaka mivelona vokatry ny fahatapahan’ny rano sy ny jiro ny ankamaroan’ny orinasa sy ny mpiasa, noho izany”, hoy hatrany izy ireo. Nohamafisin’izy ireo fa tokony hiezaka ny fanjakana hitady vahaolana maharitra na dia efa misy aza ireo ezaka ataony manoloana izany.
Tokony hojerena ny momba ny governemanta
Manoloana ny olana maro samihafa nolazaina ireo. Mangataka ny fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny Filoham-pirenena izy ireo hanendry praiminisitra sy minisitra vaovao. “Fotoana izao ho an’ny Filoham-pirenena, handravana ny governemanta sy hanendrena praiminisitra sy minisitra vaovao”, raha ny fanambarana nataon’ny Kimm hatrany. Notakin’ireto Komity iombonan’ny mpiasa malagasy ireto fa tokony ho olona avy amin’ny fiarahamonim-pirenena fa tsy avy amin’ ny antoko politika no tendrena, mba hialana amin’ny fizarana seza. Olona manana traikefa sy marina ary mampihatra ny fahamarinana amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena ihany koa. Nohamafisin’izy ireo hatrany fa ho azo antoka ny fahatokisan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ny fandraisana fanapahan-kevitra an-kasahiana eto amin’ny firenena.
Mitaky ny hanaraha-maso ny vidin’entana
Ankoatra izay, mangataka ny fitondram-panjakana ihany koa ireo fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa maro samihafa, mba hanamafy ny fanaraha-maso ny vidin’entana eny an-tsena. Indrindra ny vidim-bary ankehitriny sy amin’izao fotoana manakaiky ny fety izao, izay fotoana fanararaotan’ny olona, raha ny fanambarana nataon’izy ireo hatrany.
Nanatontosa : Mino