Fotoam-piotazana letisia 2024-2025 : nihena ho 28 ny mpanondrana vokatra tamin’ity taona ity

Efa ao anatin’ny fotoam-piotazana letisia ny eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Somary nahitana fihenana ny vokatra miakatra sy ny mpanangom-bokatra tamin’ity taona ity. Lasa aloha loatra kosa ny fahamasahan’ny vokatra eny an-tsaha.

Nosokafana ny 12 no­vambra tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro teo, ny taom-piotazana ny letisia eto amin’ny Nosy. Tany Antanambao no nanaovana ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy izany. Nilahatra, nitondra letisia, nandritra izany, ny kamiao miisa 10. Avy any amin’ny disitrikan’ i Brickaville ny telo tamin’ireo fiara mpitatitra ireo.
Amin’ny ankapobeny, mi­hena ny vokatra letisia afaka kirakiraina mandritra ny taom-piotazana 2024-2025. Nihena ho 28 monja ireo mpanondrana vokatra, raha toa ka nahatratra 34 izany taloha, raha ny fanazavana voaray hatrany. Manodidina ny 942 ny mpanangom-bokatra raha toa ka 1170 izany taloha. Kely ny vokatra letisia tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny taon-dasa ny antony nahatonga izany, raha ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpandraharaha sy mpanangom-bokatra. Ankoatra izay, tsy niara-masaka sy matoy ihany koa ireo vokatra eny an-tsaha satria somary lasa aloha loatra izany raha oharina tamin’ny taon-dasa.

Niezaka nanda io daty io ny mpandraharaha sasany

Tapaka ireo rehetra ireo nandritra ny fivoriana iraisam-paritra nataon’ny faritra Atsi­nanana sy Analanjirofo ary ireo vondron’ny mpandraharaha mpanondrana letisia sy ny CTHT, ny 7 novambra teo. Natao tao amin’ny efitrano fivorian’ny faritra Atsinanana io fivoriana io. Nandritra izany, niadiana hevitra sy tsy nanaiky io daty io ny avy amin’ny faritra Analanjirofo, noho izy io aloha loatra, raha ny fanazavana voaray. Niezaka nandresy lahatra ny rehetra ihany koa ny avy amin’ny GEL, vondron’ny mpandraharaha mpanondrana letisia. Tsy niova anefa ny daty. Vokany, lasa niteraka olana sy tsy fahatomombanana teo amin’ireo mpandraharaha samihafa izany tamin’ny fanokafana ofisialy.
Niafara tamin’ny fahatongavan’ny minisitry ny Fampi­ro­bo­ro­boana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, sy ny governoran’ny faritra Atsinanana, mpisolo toerana, Rakotovao Andry, ary ny talem-paritra misahana ny Fotodrafitrasa sy ny fampiroboroboana ny faritra Atsina­nana, i Laurent Jean Maurice mihitsy izany.
Atahorana tsy ho tratra ny 18 500 taonina

“Hotratrarina ny fanondranana ny vokatra, izay mahatratra 18 500 taonina na latsaka kelin’ izany”, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety.
“Tsy ampy ny vokatra letisia eto amin’ny Nosy, amin’ity taona ity, ka atahorana ny tsy hahafeno io fatra kasaina hotratrarina io”, hoy ireo mpandraharaha sy mpanangom-bokatra.
Ho an’ny andro voalohan’ny taom-piotazana, tsy nisy nahafeno entana ireo kamiao nanatitra teny amin’ny sambo alohan’ny hanondranana ny vokatra, mialoha ny tamin’ny 3 ora maraina. Nahita izany ireo avy amin’ny minisitera sy olom-panjakana maro samihafa nanatrika izany tany an-toerana. Nanomboka tamin’ny 10 ora alina ny fotoana hitateran’ireo kamiao ny vokatra eny amin’ny seranan-tsambo.
Etsy ankilany, miahiahy ireo mpiasa eny anivon’ny mpandraharaha manondrana letisia fa mety hitarika amin’ny tsy fahazoana karama ny fahavitsian’ny letisia haondrana.
Ho an’ny orinasa iray any Ambohijafy, ohatra, tsy misy afa-tsy “5 palettes” ny letisia voakirakiran’ny mpiasa hatramin’ny 1 ora maraina.

Ho tsara fidiram-bola ny tantsaha raha…

Amin’ny ankapobeny, fotoana iray mahatsara ny fidiram-bolan’ny tantsaha ny fivarotana letisia. Nahitana fiakarany ny vidin’ny vokatra eny amin’ireo mpamongady sy kamiao mpitatitra, raha ny fanadihadiana natao. Manodidina ny 40 000 Ar ny garaba iray, hivarotan’ny tantsaha izany. Tsy sahy mividy lafo loatra anefa ireo mpanangom-bokatra. Antony mahatonga io vidiny io ny saran-dalana nitondrana ireo vokatra miakatra ny renivohitra, ny haratsian-dalana, ny karaman’ny mpibata entana ary ny patanty, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Miantso ny mpanangom-bokatra ny mpanondrana

Ankoatra izay, manao antso avo amin’ireo mpanangom-bokatra ny mpanondrana mba hanaterana letisia any amin’izy ireo. “Toy ny mitady volamena ny fitadiavana letisia masaka”, hoy izy ireo raha nanazava. Nambaran’izy ireo hatrany fa afaka telo na efatr’andro vao masaka avokoa ireo letisia manta rehetra. Fanampin’izany, tsy mahatratra sambo voalohany intsony ireo vokatra, noho izany. Hitohy hatramin’ny volana janoary 2025 ny fanondranana vokatra letisia avy eto amintsika.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: