Tsy afa-bela amin’ny raharaha fahafatesan’ny zazavavy 6 taona ny zanaky ny rahalahin-drainy. Hiakatra fitsarana ao Fianarantsoa, anio, ny lehilahy iray voatondro ho nahavanon-doza ka nahavitra namono ny anabaviny. Tsy olon-kafa mantsy, zanaky ny rahalahin-drainy ihany ilay zazavavy enin-taona niharan’ny fanolanana niaro vono olona. Nampiahiahy ny fianakavian’ny lasibatra ny fihetsik’io tovolahy io ary nanamafy izany raha teo ny loharanom-baovao ren’izy ireo. Nanamafy ny fitoriana ny ray aman-drenin’ilay zaza niharan-doza. Vokany, voasambotra io lehilahy voatondro ho zana-drahalahin’ny rain’ny lasibatra io. Nataon’ny mpitandro filaminana fanadihadiana izy ny jona 2023 teo. Notanana vonjimaika tany am-ponja izy niandry ny fotoam-pitsarana azy. Hita faty 500 metatra niala ny trano fonenany tao amin’ny fokontany Andohanimerina, Andrainjato, kaominina Fianarantsoa ilay zazavavy vao 6 taona monja, ny volana jona 2023.
Fampiharana sazy
Mitaky ny hampiharana ny sazy ho an’ny nahavanon-doza tamin’ity raharaha ity ny havan’ ny lasibatra. Hatreto, io lehilahy anisan’ny fianakaviana io no hametrahan’izy ireo ahiahy. Ny mpitsara irery ihany anefa no afaka hamoaka didim-pitsarana manoloana izao raharaha izao. Andrasana kosa ny voka-pitsarana ho an’ny anio.
Tsiferana R.