Faritra Antsinanana : niakatra ny haavo lentan’ny kolontsaina maro loko

Niakatra amin’ny haavo lenta indrindra manerantany ny lafiny ara-kolon­tsaina sy ny soatoavina, ary ny fa­ha­­samihafana ao amin’ny faritra Antsinanana. Taorian’ny hetsika ara-kolontsaina nokarakarain’ny vovonan’ny tanora “Vagnona” ny 16 novambra lasa teo tany an-toerana.

Fotoana nampisehoana hetsika samihafa sy va­landresaka nanomezan-danja ny kolontsaina izany. Azo lazaina fa nahenika ny firenena iray manontolony hetsika, satria natrehan’ny filoham-
pirenena malagasy Rajoelina Andry sy ramatoa vadiny. Tonga nanatrika izany koa ireo mpikambana avy amin’ny go­vernementa notarihan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, tetsy amin’ny efitrano fanaovam-petin’ny CRJS.
Nahitana fikambanana maro misehatra amin’ny fahatanorana, sy fanabeazana ireo nandray anjara tamin’ny he­tsika. Anisan’izany, ny skoto, mpi­anatry ny oniversite sady talem-paritry ny serasera sy kolontsaina any amin’ny faritra Antsinanana, Jarison Stephano André.
Nampiavaka ny hetsika ny fisian’ny Konferensy lehibe iraisam-pirenena ary arahin’
izao tontolo izao ny konferasy notarihan’ny profesora, Prem RawAt nandritra izany. Izy io izay, olo-malaza maneran-tany amin’ny fanaovana konferensy lehibe sy tompon’ny fanoratana ara-koltoraly ary fahasamihafana. 4 taona monja izy dia efa nikabary sy niresaka imasom-bahoaka, nametraka ambony ny kolontsain’ny fahasamihafana eo amin’ny olombelona.

Làlana telo ny fototry ny maha olombelona…

“Mifototra amin’ny làlana telo ny fanajana ny maha olombelona rehetra”, hoy ny Profesora, Prem Rawat, nandritra ny hetsika. “Voalohany ny fahaterahana, ny fiainana ary ny fahafatesana izay aorian’ny fiainana”, hoy ha­trany izy. Nambarany hatrany fa tsy misy olombelona ma­halala ny talohan’ny fahaterahana sy aorian’ny fahafatesana. Tsy misy olombelona afaka hilaza fa tsy ao anatin’ io lalàna telo io ny antom-pisiany eto an-tany.
Nohamafisiny fa ny zavatra hampianarina ny olombelona eto ambonin’ny tany dia ny fahasamihafana misy re­hetra. Mety manontany tena ny tsirairay manoloana ny trangan-javatra eo amin’ny fiainako? Ny fieritreretana izany no antony nahatonga azy nanoratra tantaran’olona iray, izay tsy mety afapo
amin’ny anjara masoandrony sy amin’ny fiainany. “Zava-dehibe loatra ny fampiofanana sy fampianarana ny tanora mba ho tanora vonona sy vanona”, hoy hatrany ity profesora ity. Namba­rany fa
ilaina toe-tsaina sy fametrahana ny maha izy azy ny olona tsirairay ary ny firenena maro ny fananana ireo. Tanjona ny hametrahana ny soatoavina sy fitiavana ary fankasitrahana eo amin’ny fiainany.

Nankasitrahan’ny filoha

Nankasitrahan’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry ny fa­nasana nataon’ny mpikarakara azy nanatrika ny hetsika. “Efa ampy ahy ny maha filoham-pirenena ahy, ary na ao anatin’ny olana aza isika ma­lagasy dia hametraka tantara tsara ho an’ny taranaka sy firenena ny tenako”, hoy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry tany an-toerana. Namba­rany fa ilaina fitiavana, finoana, fankasitrahana, ary fahasahiana izany mba ahitana fahasambarana.

Tratra ny tanjona

Tratra ny tanjona nandritra ny hetsika nokarakarain’izy ireo, raha ny fanazavana noentin’ny filoha mpanorina ny vovonana “Vagnona”, Jarison Stephano André. Tanjona ny nikendrena sy nanomezana vahana ny sehatry ny kolontsaina maro loko anjakan’ny soatoavina maha Malagasy. Tafiditra tamin’izany, ny handraisana anjara amin’ny fifampitaizana ny tanora mba ho lasa olom-pirenena vanona. Antony nahatonga ny vovonana nanasa manokana an’ny Profesora Prem RawAt, fanta-daza maneran-tany amin’ny fanoratana boky malaza maneran-tany.

Te hihaona aminy ny olon-drehetra maneran-tany

Ho an’ity profesora ity, nahatanteraka fihaonambe iraisam-pirenena izy, niresahana ny zavatra mahaliana ny olombelona maro an’isa maneran-tany. «Azo lazaina fa tratra ny tanjona satria mitady fihaonana amin’ ity olo-malaza ity ny olon-drehetra na isika eto Madagasikara aza », hoy hatrany ny fanazavana. « Tsy hijanona ho an’ny faritra Antsinanana manokana ity raharaha ity fa haparitaka manerana ny faritra rehetra eto amin’ ny Nosy », hoy hatrany ny fanazavana. Mba hahafahana manitatra ny fomba fitaizana sy fanabeazana ny tanora ao anatin’ny kolontsaina maro loko anjakan’ny soatoavina. Hampiharina mandritra izany koa ny fandaharan’asa “PEP”  na ny Program­me d’Education pour la Paix , noforonon’ny  Profesora, Prem RawAt. Fomba nahafahana nifampitaiza amin’ny alalan’ny fiadanana any anaty eo amin’ny tsirairay avy.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: