Fahaizana sary : misy tombontsoa manokana amin’ny saina

Sehatra iray efa anisan’ny miroborobo fatratra eto Madagasi­kara ny fanaovana sary, raha ny zava-misy. Nataon’ny maro ho fitadiavam-bola sy fialamboly ny ankamaroan’ny fanaovana azy ireny, raha ny fa­nadihadiana natao. Misy tombontsoa ma­nokana amin’ny saina ny fahaizana azy io.

Ilaina talenta ny fironana amin’ny fanaovana sary ary hamafisina amin’ny fanaovana fiofanana ihany koa. Tan­jona ny hanatsarana sy hampivelarana kokoa ny tontolon’ ny sary eto amin’ny firenena. “Tsara hidirana ny fanaovana sary eto amin’ny firenena raha toa ka manan-talenta mika­sika izany ny olona iray”, hoy Rakotondrazafy Alison Rova, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe: Raly, mpanao sary eto Antananarivo. Betsaka ny sehatra azo hidirana amin’ny sehatry ny sary sy ny hoso­doko, anisan’izany ny fampianarana sy fampitana fahala­lana ho an’ny taranaka sy ny tanora. “Mahavelona tsara ny asa fanaovana sary eto amin’ ny Nosy satria ahitana lalana sy sehatra maro”, hoy hatrany izy. Ho azy manokana, miditra amin’ny sehatry ny fampia­narana ireo tanora sy olon-dehibe liana amin’ny fanaovana sary izy amin’ny andavanandro. Ilaina ny fampianarana sary ny ankizy dieny mbola kely satria any ny fototra mampahay azy ary entiny mandra-pahalehibeny. Ankoatra izay, mbola misy koa ny olona na fikambanana mampanao sary azy. Nambarany fa mahavelona tsara io asa io rehefa tena tiana sy hikirizana.
Ho an’ny olon-dehibe sa­sany indray, maro ireo manao sary tsy natao hitadiavam-bola fa natao ho fialamboly fotsiny ihany. “Azo entina amin’ ny asa ny fahaizana sy fanao­vana sary fa misy tombontsoa manokana amin’ny saina izany na ho an’ny ankizy na ho an’ny olon-dehibe”, hoy hatrany ny fanazavany.
Tsy mbola mipaka
ao am-pon’ny Malagasy

Vahiny ny ankamaroan’ny mpanjifa sy manome lanja ny sary vita sy vokarin’ny mpanao asa tanana eto Madaga­sikara. Mbola vitsy ireo Mala­gasy mividy izany noho ny an­tony maro, raha ny fanazavana voaray hatrany. “Tsy mbola tena mipaka tsara ao am-pon’ ny olona ny fitiavana sy fankafizana ny kolontsain’ny sary eto Madagasikara ka antony mahatonga izany”, hoy hatrany izy. Efa mihatsara sy efa mihazatra tsikelikely amin’izany kosa ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana. Antenaina ny hisongadinana sy hivelaran’io kolontsaina iray io, raha ny fanazavany hatrany.

Olana ny fifanarahana tsy milamina

Olana eo amin’ny fanao­vana sary ny fahatapahan’ny fifanarahana eo amin’ny mpanao sary sy ny olona mampanao izany. “Matetika tsy mandoa vola tampoka ilay olona, tsy atao mahakivy anefa izany fa natao hampiezaka sy hanao tsaratsara kokoa hatrany”, hoy izy nanazava. Ankoatra izay, “manao dokambarotra ihany koa eny anelanelany mba hampalaza ny asa sary izay atao”, hoy hatrany izy.

Iaingan’ny aingam-panahy ny andavanandro

Miainga amin’ny zavatra iainana sy hita andavanandro ny aingam-panahy amin’ny fanaovana sary, raha ho azy manokana. Anisan’izany, ny fifaneraserana amin’ny olona, ny fahitana zavatra mitranga maro samihafa eny anivon’ny fiarahamonina eny. “Eo koa ny fihainoana mozika tsy misy feon’olona, mampiitatra sy mahatonga ny saina handeha lavitra izany”, hoy hatrany izy nanazava.

Rakotondrazafy Alison Rova na i Raly

Talenta ny fanaovana sary satria efa tia nanao sary efa hatramin’ny mbola kely izy, raha ny fitantarany. Taty aoriana, nitarina tamin’ny fanarahana fiofanana maro samihafa eo amin’ny tontolon’ny sary izany. Nanampy be azy tamin’izany ny nidirana tao amin’ny fikambanana iray antsoina hoe Mitan­tsary sy ny maro samihafa. Lasa tiana ny nanao sary taty aoriana ary lasa nampianatra taty aoriana satria tiako kokoa ny mizara ho an’ny hafa. Anisan’ny manamafy ny kolontsaina maha malagasy ny fanaovana izany.

Mampiavaka azy ny fanaovana sary miaina sy hatsikana

Mampiavaka azy amin’ny mpanao sary hafa ny famoro­nana sary hatsikana sy sary miaina ary ireo tantara an-tsehatra sy ny maro hafa. Anisan’ny tena ahafantaran’ny olona azy koa ny fanaovana sary karikatiora. Mampiasa fitaovana maro samihafa ihany koa izy amin’ny fanatanterahana izany. An­koatra izay, nampianatra ankizy sy tanora ihany koa izy. Nisehatra teo amin’ny fanaovana sary tao anatin’ny 15 taona teo izy ary mbola ao anatin’io sehatra io hatramin’izao.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: