Tafiditra ao anatin’ ny fomba amam- panao malagasy atao aorian’ny fiterahana ny mivoaka itany sy ala volon-jaza. Vitsy anefa no mahafantatra sy manao izany ankehitriny.
Manana fomba fanao amin’ny zaza vao teraka ny foko merina. Rehefa nifana herinandro ny mpiteraka dia entina mivoaka voalohany any an-tokotany ny reniny sy ny zaza vao teraka. Ravahana haba (bracelets) ny tanany, indraindray ihany koa ny tongony. Olona velon-dray aman-dreny mitafy lamba landy no mitrotro ny zaza vao teraka. Manaraka ny mpitrotro zaza ny zazavavy na zazalahy, arakaraka ny zaza teraka na lahy na vavy. Raha vavikely ny zaza vao teraka dia zazavavy miloloha saronan-karona no manaraka. Raha lahikely dia zazalahy milanja famaky sy tady mahazaka ary mizana no manaraka azy. Entin’ny velon-dray aman-dreny mankeo amin’ny fahitra lehibe ny zaza ka tsofin-drano eo hanam-be, ho tratra antitra, ary ho salama tsy marofy. Vita izay dia miverina any an-trano ka mihodina intelo ny trano (tahaka ny fiodin’ny famantaranandro) vao miditra ny tokonam-baravarana.
Misy heviny sy dikany avokoa ireo zavatra ampiasaina sy tandindona ireo. Amin’ny ankapobeny natao hirarina soa ilay zaza izany. Anisan’ny hitondran’ny olona velon-dray aman-dreny azy dia ny mba haha ela velona ny zaza. Ny fanotronan’ny zatovo dia ny mba hahatonga azy ho mamy hoditra amin’ny fiarahamonina. Ny fitsofan-drano ny zaza eny amin’ny fahitra lehibe kosa dia tandindon’ny harena irarina ho azon’ilay zaza.
Sokajina ho anisan’ireo fomba amam-panaon’ny Malagasy atao amin’ny fahaterahana ny Mivoaka itany. Fanehoana ny zaza vao teraka amin’ny zavaboahary rehetra ny heviny amin’ny ankapobeny. Aorian’ny Mivoaka itany dia ny ala volon-jaza indray no fomba atao manaraka amin’ny zaza iray.
Ala volon-jaza na ala sonia
Dingam-piainana lalovan’ireo mpanao ny fomba malagasy ny Ala volon-jaza. Hatramin’ny taloha dia eo amin’ny fotoana handraisan’ny zaza ny fahatelon’ny volana nahaterahany no hanaovana ny fomba. Fanatontosana azy ny vanim-potoan’ny lohataona misandratrandro na ny andro ambaran’ny mpanandro. Ny ala volon-jaza dia azo atao ihany koa hoe ala sonia. Ny sonia dia ilay volo eo ambonin’ny sofina. Ny volo eo amin’ny havia no atao hoe sonia ratsy, ny eo amin’ny havanana no sonia tsara.
Ny sonia ratsy no esorina mialoha. Hatokana, hariana any atsimon-tanàna miaraka amin’ny fitaovana nakana ilay volo. Ny sonia tsara dia hararaka amin’ny sakafo hifandrombahana. Fary raiki-bololona, akondro vokatra na velon-dreny, ary ny famoa izay zavamaniry mitovy endrika amin’ny vero no ilaina amin’ny fanatanterahana ny ala volon-jaza.
Sakafo hohanina mandritra izany kosa ny saonjo masaka voatetika madinika sy vary masaka laroana toho maina sy trafon-kena ary tantely. Ny velon-dray aman-dreny no manao ny fanapaham-bolo. Marihina fa vidim-bolo no anaran’ny tolotra omena mandritra ny ala volon-jaza. Ireo dingana ankapobeny: ala volo, an-karombaka (zava-pihinana), manatsara ny ala-volo, an-karombaka zavamaniry.
Mihavery sy mihamaty
Vitsy amin’ny Malagasy, indrindra ny foko merina, tompon’ny fomba, no manao ny Mivoaka itany, ankehitriny. Eny ambanivohitra sisa no mety ahitana fianakaviana manao izany. Ity fomba ity no anisan’ny fomba malagasy vitsy mpahalala sy vitsy mpanao, indrindra raha oharina amin’ny famorana sy ny ala volon-jaza. Maro ny antony mahatonga izany. Maro ny fianakaviana sy ankohonana no tsy mahalala. Misy ny manao izany, saingy tsy araka ny tokony ho izy intsony.
Nanatontosa : Lin