Lanjan’ny vita gasy : mpanjifa ny akanjo vita malagasy sy lambalandy ireo vao hanorin-tokantrano

Mbola tsy tena mahazo vahana ny fanjifan’ny vahoaka malagasy ny akanjo vita malagasy sy vita amin’ny landy, raha eto Madagasi­kara. Maro amin’ny mpanjifa azy ireny kosa ny olon-droa vao hanorin-tokantrano, ny mivoaka ho mpikabary, izay efa mahatsapa ny lanjan’izany.

Mihena ny fanjifan’ny olona, indrindra ny vahoaka malagasy ny akanjo vita malagasy amin’ izao fotoana izao, raha ny fanadihadiana natao. “Antony mampiova ny tsena, ny tsy fahafantaran’ny vahoaka malagasy ny tena lanjan’ny zavatra vita gasy”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny Soalandy m’cost’ ard etsy Andavamamba, Ranaivoarisoa Mamy. Eo koa ny fironanana betsaka amin’ ny fitiavana sy fanjifan’ny maro ny akanjo sy ny vokatra nafarana avy any ivelany, toy ny “fripperie” sy ny maro hafa. Ankoatra izay, maro amin’ny Malagasy ny mihevitra fa natao sy natokana ho an’ny maty ny lambalandy, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Nohamafisin’ity tomponandraikitra iray ity anefa fa ny velona mihitsy no tokony hitafy sy hanao ny lamba landy.

Tafiditra ao anatin’ny lamba mihaja entina mamonjy lanonana aman-draharaha maro ny lamba landy.
Betsaka mpanjifa kosa anefa ireny akanjo vita ma­lagasy ireny rehefa fotoana akaiky fety tahaka izao. Manomboka akaiky faran’ny taona eo no tena mihamaro ny olona manjifa azy ireny, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Maro mpanjifa amin’izy ireny, ny olon-droa hanorina tokantrano eto Madagasikara sy any ivelany, ny hivoaka mpikabary, fanolorana mari-boninahi-pirenena, sy ny maro hafa. «Efa manomboka tian’ny olona, indrindra ireo hanorina tokantrano ny misafidy ny hianjaika akanjo vita malagasy sy vita amin’ny landy», hoy hatrany izy nanazava. Amin’ ny ankapobeny, maro anisa amin’ireo mpanjifa ny lehilahy, izay manjifa ny palitao, raha ny fanazavana voaray hatrany. «Mihaja kokoa ny akanjo vita malagasy sady manaitra ka antony mahatonga ahy hanjifa izany», hoy Ranto, lehilahy iray nanontaniana. Nisafidy manokana ny hanao ny akanjo haingoana amin’ny lamba landy izy satria manome lanja sy manandratra ny zavatra vita malagasy izany.

Akanjo fianjaika

Azo atao ny mampivady ny lamba landy amin’ny lamba soga, “tergal”, “lin” ary lambahoany izany. Misy ny karazana lamba landy natokana ho fitondra mianjaika fotsiny, raha ny fanazavana voaray hatrany. Anisan’izany, ny satrok’andriana sy ny vorombola, izay anisan’ny mampiavaka antsika malagasy izy ireo. Miovaova arakaraka ny tian’ny mpanjifa ny modely hamoronana ireo akanjo. Raha ho an’ny palitao manokana, misy ny misafidy ny
palitao iray manontolo vita amin’ny landy.

Misy kosa ny misafidy ny hanisy landy amin’ ny ampahany eo anoloan’ny palitao. Manomboka eo amin’ ny 350 000 ariary eo ny vidin’ ny palitao iray, tsy misy landy eny an-tsena, raha ny fanazavana voaray hatrany. “Miova­ova arakaraka ny modely takin’ny mpanjifa ny halafon’ ny vidiny”, hoy hatrany izy. Be mpanjifa amin’ny modely, ny palitao misy haingony kely amin’ny lamba landy.

Ho an’ny vehivavy, azo atao ny mianjaika lamba tsotra sy asiana haingony petakofehy fotsiny. Misy ihany
koa anefa ny manjifa akanjo vita amin’ny landy ranoray. Somary ny vehivavy efa somary lehibe ny tena manjifa ny akanjo vita amin’ny landy ranoray, raha ny fanazavana voaray hatrany. Hain­goana amin’ny landy kely ihany kosa ny be mpanjifa ho an’ireo vehivavy hanorina tokantrano.

Mihalafo ny akora fototra

Ho an’ireo mpisehatra amin’ny famokarana sy fanodinana landy eto Madagasikara, mihalafo ny akora fototra noho ny fahasarotan’ny fisian’ny landy amin’izao fotoana izao. Somary sahirana ny mpanao asa tanana manoloana izany, miezaka mamokatra lamba foana anefa izy ireo na dia eo aza izany. Tsy azo atao ny mampiakatra avo loatra ny vidin’ny vokatra. Mba hitsinjovana ny mpanjifa, indrindra ny eto an-toerana.
Misy karazany roa ny landy, eo ny landikely na natoraly sy ny landibe na ny “soie sauvage”. Ny landikely dia ompiana, omena sakafo sy asiana trano fonenany. Ho an’ny landibe, izay monina any anaty ala any, izay efa mihapotika izy io amin’ izao fotoana izao. Antony mahasimba azy ireo ny fahamaroan’ny doro tanety ataon’ny olona, sy fanapahana ny ala. “Tokony hisy politika entina miady fandripahana io landibe io eto amin’ny Nosy satria tsy izahay mpanao lamba ihany no mila azy io fa mitondra soa ho an’ny fahasalamana ihany koa izy io”, hoy hatrany ny fanazavana nataon-dRanaivoarisoa Mamy. Anisan’ny miaro ny olona amin’ny taratry ny masoandro ny fanaovana ny landy, raha ny fikarohana nataon’ny mpikaroka iray tany Etazonia. Ankoatra izay, “raha te hanandratra ny vita malagasy, ilaina ny fijerena sy fiarovana ny fiompiana eny ifotony mihitsy sy ny fanamorana ny fitadiavana lalam-barotra no tena mila himasoana”, hoy hatrany izy nanamafy.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: