Mivoatra ny fahazotoan’ny olona manome ra amin’izao fotoana, raha mitaha amin’ ny taloha. 18 hatramin’ny 60 taona ny olona mpanome ra, raha ny tarehimarika isan-taona. Mazoto manome ra kosa ireo tanora manomboka eo amin’ny faha-25 taonany.
Mazoto manome ra ny tanora mbola ao anatin’ny tanjaka sy ny heriny amin’izao fotoana izao, raha ny fanadihadiana natao. Betsaka indrindra sy mazoto manao izany, ny tanora 25 hatramin’ny 45 taona eto Antananarivo, raha ny tatitra voaray farany tamin’ny volana marsa lasa teo, eo anivon’ny hopitaly CHU-HJRA Ampefiloha manokana. 1 071 ny lehilahy amin’izy ireo, raha toa ka 576 kosa ny vehivavy. Manaraka azy ao ny tanora eo anelanelan’ny 18 hatramin’ny 24 taona. 263 ny lehilahy amin’izany, ary 184 ny vehivavy, raha ny tatitra voaray hatrany. “Mbola ao anatin’ny tanjaka sy ny heriny tsara ireo olona ireo ka antony mahatonga azy ireo harisika amin’ny fanomezan-dra”, hoy Dr Rakotonaivo Mamisoa Judicaël, Tale lefitra miandraikitra ny raharaha teknika CHU-HJRA Ampefiloha Antananarivo, nanaovana fanadihadiana. Efa mihavitsy kosa ny olona eo anelanelan’ny 46 hatramin’ny 64 taona. 193 ny lehilahy amin’izany, raha toa ka 120 ireo vehivavy. Tsy misy manome ra intsony kosa ny olon-dehibe maherin’ny 65 taona, araka io tatitra io. Nohamafisin’ny mpitsabo fa miovaova isam-bolana io tarehimarika io. Amin’ny ankapobeny, manana havana na namana marary miditra hopitaly ny antony mahatonga ny olona hanome ra, raha ny fanadihadiana natao tamin’
ireo mpanome ra. Ankoatra izay, mampazoto ny hafa hanao izany ny fotoana hisian’ ny hetsika fanomezan-dra maimaimpoana. “Efa intelo aho nanome ra, ny roa tany ivelan’i Madagasikara ary ny iray teto anivon’ny hopitaly HJRA”, hoy i Christian Velonjara, olon-tsotra. “Mahatsiaro maivamaivana sy tsapako ho misolo vaovao ny ra ao anatiko ao rehefa avy manome ra”, hoy izy.
Ahazoana tombontsoa maro
Misy tombontsoa maro azon’ilay mpanome ra aorian’ ny fanaovany izany. Miova sy mihatsara ny ra ao anatin’ny olona manome ra satria misolo ra vaovao izany. Fomba iray ahafantarana sy mitily ny aretina mahazo ilay olona ihany koa izany. “Afaka mamantatra ny sokajin-dra eo aminy izy, afaka mamantatra raha madio na misy tsimokaretina hafa ihany koa ao anatin’ny ra”, hoy izy. Tombontsoa manokana ny ahafahana mamantatra sy mitsabo mialoha ny aretina amin’ny alalan’ny fanomezan-dra mba tsy hihombon’ny aretina.
Fepetra arahina ho an’ny mpanome ra
Tsy maintsy misy fepetra arahina vao afaka manome ra ny olona iray, raha ny fanazavan’ny mpitsabo hatrany. Samihafa ny masontsivana takina ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy amin’izany. Milanja 50 kg na mihoatra ny olona iray vao afaka manome ra. Tsy manana areti-mitaiza ary olona tsara fitondrantena ihany koa. Tsy afaka manome ra ny vehivavy bevohoka sy mampinono ary tonga fadim-bolana amin’ny fotoana anomezany ra. Tsy nisotro toaka sy tsy nitsindrona na mifoka zava-mahadomelina tao anatin’ny 24 ora mialoha. Tsara raha manao voky tsara alohan’ny hanomezana ra ny olona iray. Tsy misakafo kosa raha hanao « analyse ».
Maimaimpoana ny fanomezan-dra
Maimaimpoana ny fanomezan-dra rehetra manerana ny Nosy. Mahazo maimaimpoana avokoa ny marary rehetra eny anivon’ny hopitaly sahanin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Soloina ra alaina amin’olona roa ny kitapon-dra iray amin’izany, raha ny fanazavana voaray. Ankoatra izay, “mandoa saran’ny fikirakirana sy fitiliana 85 000 Ariary isaky ny paosin-dra kosa ny marary rehetra eny amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina amin’ny Fanjakana rehetra manerana ny ny Nosy na hopitaly tsy sahanin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mivantana”, hoy ny mpitsabo, Dr Rakotonaivo Mamisoa Judicaël. “Mitondra olona roa mpanolo ra isaky ny kitapon-dra fa tsy misy vola aloa mba hahafahana manana kitapon-dra tsy tapaka hamonjena ny ain’ireo izay mila
izany », hoy izy.
Sarotra tadiavina ny sokajin-dra « rhésus négatif »
Samy manana ny sokajin-drany ny olona tsirairay. Sarotra tadiavina ny sokajin-dra antsoina hoe: « rhésus négatif » satria vitsy ny olona manana io sokajin-dra iray io. Be mpanana indrindra, ny sokajin-dra « O ».
Nanatontosa : Mino