Voix rapide sy Auto-route: hiakatra ny fihariana sy ara-toekaren’ i Madagasikara

Anisan’ny mampitaraina olona sy mpitatitra maro ny haratsian-dalana eto amin’ny Nosy. Efa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana hamahana izany olana izany, amin’ny alalan’ny fanamboaran-dalana. Ani­san’izany ny lalambe Voix Ra­pide any Toama­sina.

Eo am-panamboarana tanteraka ny lalambe migodana Voix Rapide any Toamasina ny fitondram-panjakana malagasy amin’ izao fotoana izao. Tonga nitsidika ny fandehan’ny asa any an-toerana, ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Theodore, ny alakamisy sy zoma lasa teo. Ankoatra izay, mitohy ihany koa ny asa fanarenana sy fanamboaran-dalana vaovao any antapon-tananan’ i Toamasina. “Tsy manao am­banin-javatra ny fanarenana ny lalana simba sy fanamboara-dalana vaovao eto amin’ny Nosy ny fitondram-panjakana ankehitriny, tarihan’ny filohan’ ny repoblika, Rajoelina Andry, sy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian”, hoy ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Theodore, raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety tany an-toerana. Mirefy 9, 866 kilometatra io lalana amboarina io, izay mampitohy ny seranan-tsambon’i Toamaina sy ny lalam-pirenena faharoa any Antanan­dava. Mahazaka fiara efatra ny lalana rehefa vita soa aman-tsara.

Ahazoana tombontsoa maro ny fahavitan’ny lalana

Maro ny tombontsoa azo avy amin’ny fahavitan’ireo fa­namboaran-dalana ireo. “Ani­san’ny manatsara ny lafiny fitateran’olona sy entana izany ka antenaina ny fiakaran’ny toekarena eto Madagasikara”, hoy hatrany izy. “Anisan’ny mampiakatra ny fihariana sy toekaren’i Madagasikara sy ho an’ny isam-batan’olona ny fahavitan’ireo lalana ireo”, hoy hatrany ny minisitra. Raha lalana natao adim-pamataranandro valo hatramin’ny 10, lasa adim-pamataranandro
3 na 4 monja izany amin’ity lalana ity. Amin’ny akapobeny, matevina sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fotodrafitrasa. Tsy misy ny tahotra vokatry ny rivodoza na tena amoron-dranomasina aza izany. Ny orinasa ” Sinohydro” no manao ny asa. Nambarany hatrany fa hilamina ny fandraharahana eo amin’ny resaka fitaterana. Hihamaivana ihany koa ny fitohanan’ireo kamiao lehibe mpitatitra, izay mahatratra 800 ka hatramin’ny 1 200 isan’andro ny isan’ny fiara miditra sy mivoaka ny seranan-tsambo. Nohamafisiny hatrany fa tsy hisy intsony ny fahataran’ny entana tonga eto Antananarivo. Hihena ihany koa ny lozam-pifamoivoizana ary mety ho foana mihitsy ny asan-jiolahy amin’ny fama­kiana kaontenera.

Hampihena ny asan-jiolahy

Etsy ankilany, tsy niandry ela ny fitondram-panjakana fa natomboka sahady ireo lalana atao “beton” any amin’ny renivohitr’i Toamasina. Anisan’ny mampitaraina ny mpitatitra maro any an-toerana ny hara­tsian’ny lalana ary saika nampirongatra ny asan-jiolahy izany, raha ny fanadihadiana natao. Antony mahatonga izany ny fahamoran’ny jiolahy mandostria noho ny haratsian’ ny lalana andehanan’ny fiara. Manoloana izany, mampa­nano sarotra ny asan’ny mpitandro ny filaminana koa izany, indraindray. Nambaran’ ny minisitry ny Asa vaventy hatrany fa mahatratra hatra­min’ny 10 miliara Ariary ny tetibolam-panjakana  hanamboran-dalana ho an’ i Toama­sina renivohitra manokana. Amin’ny alalan’ny “Fond  routier” izany ary hitohy hatramin’ ny taona 2025 manaraka izany.

Efa vita ny 30 % ny asa fanamboarana

Mihazakazaka ny asa fanamboara-dalana Voix rapide amin’ izao fotoana izao. Nohamafisin’ny minisitry ny Asa vaventy ha­trany fa efa vita ny 30 % ny asa. Aorian’ ireo asa ireo, hisy ny fanamboaran-dalana Auto route, mampifandray an’Anta­nanarivo (Anjozorobe) sy Toamasina. Manodidina ny 80 kilometatra eo ny halaviran’izany.

Tsy ho voakasika ny Tandavanala Ankeniheny Zahamena

Nitondra fanazavana mahakasika ny fanamboarana ny Auto-route ihany koa ny minisitry ny Asa vaventy. Valin-teny manoloana ireo olona tsy mahita ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana. “Manaja ary anisan’ny saro-piaro amin’ ny zava-boahary ny fitondram-panjakana, anatin’ny fanaovana fanadihadiana ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana ary efa am-pelatanana ny fahazahoan-dalana mahakasika izany”, hoy hatrany izy. Nambarany fa tsy mitombona ny fandalovan’ny lalana sy hamakivaky ny tandavanala Ankeniheny zahamena. Hametraka ny laharam-pahamehana ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana ny fidirana eo amin’ny 80 kilometatra avy eo Anjozorobe hatrany Toamasina. Mitandro ny fiarovana ny zavaboahary sy fiarovana ny tontolo iainana ny tanjon’ny fitondram-panjakana amin’izany.

 

Sajo

Partager sur: